Jeremia 51:51 - DIEM PROTESTANTA51 Afa-baràka izahay nandre fandatsana! Rakotry ny henatra ny endrikay fony nidiran’ireo hafa firenena ny Toeramasina tao an-tranon’ny TOMPO. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201151 Nahatsiaro menatra izahay fa nandre latsa; nanarona ny tavanay ny henatra; fa ny hafa firenena no niditra teo amin’ny fitoerana masina amin’ny tranon’NY TOMPO. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara51 Afa-baràka izahay nandre fandatsana! Rakotry ny henatra ny endrikay fony nidiran’ireo hafa firenena ny Toeramasina tao an-tranon’ny TOMPO. Jereo ny tokoBaiboly Katolika51 Menatra izahay, fa nandre ny fanalam-baraka; safo-kenatra ny tarehinay, fa ny hafa firenena no tonga, nanevateva ny fitoerana masina, ao an-tranon’i Iaveh. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy51 Menatra izahay, fa efa nandre latsa; Manarona ny atrehinay ny henatra; Fa ny hafa firenena no niditra teo amin’ny fitoerana masina amin’ny tranon’i Jehovah. Jereo ny tokoMalagasy Bible51 Menatra izahay, fa efa nandre latsa; Manarona ny atrehinay ny henatra; Fa ny hafa firenena no niditra teo amin'ny fitoerana masina amin'ny tranon'i Jehovah. Jereo ny toko |
–ireo mpanjaka rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky. Izany hoe ny fanjakana rehetra teto amin’izao tontolo izao, manerana ny velaran-tany, dia samy tsy maintsy nisotro tsirairay tamin’izany tsangambava feno ny divaim-pahatezeran’ny Tompo izany; ary ny mpanjakan’i Sesàka no nisotro namarana azy.
Fa tandremanareo fatratra ny ohatra ratsy nasehon’i Hômrỳ mpanjaka sy ny fihetsiky ry i Ahaba mianakavy, ka narahinareo ny fomba amam-panaony. Noho izany, dia hatolotro horavana ity renivohitrareo ity ary ho fihomehezana ianareo mponina ao aminy; ka ianareo no hitondra ny latsa mianjady amin’ny vahoakako.»