Ka hoy i Esao tamin’i Jakôba: «Mba avelao aho hihinana amin’ny mena, dia amin’io mena io, fa reraka aho.» Izany no nanaovana ny anaran’i Esao hoe Edôma.
Obadia 1:1 - Baiboly Katolika Fahitan’i Abdiasa. Izao no nolazain’ny Tompo Iaveh tamin’i Edôma: - Nandray filazana avy amin’i Iaveh izahay ary nisy iraka nalefa ho any amin’ny firenena: Mitsangàna! Aoka hitsangan-kamely azy, izahay. - Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny fahitan’i Obadia. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra ny amin’i Edoma: Nahare filazana avy tamin’NY TOMPO izahay, ary nisy iraka nalefa ho any amin’ny firenena hilaza hoe: Mitsangàna! Aoka isika hitsangana hanafika azy! DIEM PROTESTANTA Nisehoam-pahitana i Hôbadià, ka izao no voalazan’ny Tompo ANDRIANANAHARY ny amin’i Edôma. Nisy iraka nalefa ho any amin’ny hafa firenena, ka renay nanambara filazana avy amin’ny TOMPO hoe: «Mitsangàna ianareo! Aoka isika hiara-mitsangana hanafika an’i Edôma!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisehoam-pahitana i Hôbadià, ka izao no voalazan’ny Tompo ANDRIANANAHARY ny amin’i Edôma. Nisy iraka nalefa ho any amin’ny hafa firenena, ka renay nanambara filazana avy amin’ny TOMPO hoe: «Mitsangàna ianareo! Aoka isika hiara-mitsangana hanafika an’i Edôma!» Baiboly Protestanta Malagasy NY fahitan’i Obadia. Izao no lazain’i Jehovah Tompo ny amin’i Edoma:–Nahare filazana avy tamin’i Jehovah izahay, Ary nisy iraka nalefa ho any amin’ny jentilisa hanao hoe: Mitsangàna, aoka isika hitsangana hanafika azy!– Malagasy Bible Ny fahitan'i Obadia. Izao no lazain'i Jehovah Tompo ny amin'i Edoma: Nahare filazana avy tamin'i Jehovah izahay, Ary nisy iraka nalefa ho any amin'ny jentilisa hanao hoe: Mitsangàna, aoka isika hitsangana hanafika azy! La Bible en Malgache Ny fahitan’i Obadia. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra ny amin’i Edoma: Nahare filazana avy tamin’NY TOMPO izahay, ary nisy iraka nalefa ho any amin’ny firenena hilaza hoe: Mitsangàna! Aoka isika hitsangana hanafika azy! |
Ka hoy i Esao tamin’i Jakôba: «Mba avelao aho hihinana amin’ny mena, dia amin’io mena io, fa reraka aho.» Izany no nanaovana ny anaran’i Esao hoe Edôma.
Tsarovy, ry Iaveh, ireo taranak’i Edôma, fony tamin’ny andron’i Jerosalema, dia hoy ireny: «Ravao! ravao! izy, hatramin’ny fotony!»
Faminaniana ny amin’i Domà. Misy miantso ahy avy any Seira manao hoe: «Ry tily ô, toy inona alina moa izao? Ry tily ô, toy inona alina moa izao?»
Dia namaly ny tily nanao hoe: «Tonga ny maraina, ary ny alina koa. Raha te-hanontany ahy ianareo, manontania; tongava indray amin’ny fotoana hafa.»
Efa mby any Tanisa sahady ireo mpanapaka an’i Jodà; ary efa tafahoatra hatrany Hanesa ny irany;
Noraisiko ny kapoaka teny an-tanan’i Iaveh, nampisotroiko ny firenena rehetra nanirahan’i Iaveh ahy, dia i Jerosalema mbamin’ny tanànan’i Jodà,
Aza reraka foana ny fonareo, aza matahotra, noho ny tsaho izay ho re honohono amin’ny tany! Fa hisy tsaho hitranga amin’ny taona iray, ary hisy tsaho hafa kosa, amin’ny taona manaraka izay; dia hisy fifamelezana mafy amin’ny tany, mpanapaka manao jadona mifanohitra.
Miakatra eo alohan’izy ireo, ny mpanabanga. Izy ireo koa manabanga, miditra ny vavahady, ary mivoaka aminy koa; ny mpanjaka no mandroso eo anoloany, ary i Iaveh no mitarika azy.
Handre ady sy filazana ady ianareo; aza taitra, fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola izany no ho farany.
Ary raha mandre ady sy honohono hoe: hiady, ianareo, dia aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany, nefa tsy mbola izany no farany;