Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Obadia 1:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Nisehoam-pahitana i Hôbadià, ka izao no voalazan’ny Tompo ANDRIANANAHARY ny amin’i Edôma. Nisy iraka nalefa ho any amin’ny hafa firenena, ka renay nanambara filazana avy amin’ny TOMPO hoe: «Mitsangàna ianareo! Aoka isika hiara-mitsangana hanafika an’i Edôma!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ny fahitan’i Obadia. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra ny amin’i Edoma: Nahare filazana avy tamin’NY TOMPO izahay, ary nisy iraka nalefa ho any amin’ny firenena hilaza hoe: Mitsangàna! Aoka isika hitsangana hanafika azy!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Nisehoam-pahitana i Hôbadià, ka izao no voalazan’ny Tompo ANDRIANANAHARY ny amin’i Edôma. Nisy iraka nalefa ho any amin’ny hafa firenena, ka renay nanambara filazana avy amin’ny TOMPO hoe: «Mitsangàna ianareo! Aoka isika hiara-mitsangana hanafika an’i Edôma!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Fahitan’i Abdiasa. Izao no nolazain’ny Tompo Iaveh tamin’i Edôma: - Nandray filazana avy amin’i Iaveh izahay ary nisy iraka nalefa ho any amin’ny firenena: Mitsangàna! Aoka hitsangan-kamely azy, izahay. -

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 NY fahitan’i Obadia. Izao no lazain’i Jehovah Tompo ny amin’i Edoma:–Nahare filazana avy tamin’i Jehovah izahay, Ary nisy iraka nalefa ho any amin’ny jentilisa hanao hoe: Mitsangàna, aoka isika hitsangana hanafika azy!–

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ny fahitan'i Obadia. Izao no lazain'i Jehovah Tompo ny amin'i Edoma: Nahare filazana avy tamin'i Jehovah izahay, Ary nisy iraka nalefa ho any amin'ny jentilisa hanao hoe: Mitsangàna, aoka isika hitsangana hanafika azy!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ny fahitan’i Obadia. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra ny amin’i Edoma: Nahare filazana avy tamin’NY TOMPO izahay, ary nisy iraka nalefa ho any amin’ny firenena hilaza hoe: Mitsangàna! Aoka isika hitsangana hanafika azy!

Jereo ny toko dika mitovy




Obadia 1:1
28 Rohy Ifampitohizana  

ka nangataka taminy hoe: –Mba omeo kely amin’io sakafo efa menafify io aho fa reraka. (Izany no niantsoana azy tamin’ny anaram-bositra hoe Edôma na Ilaimena).


Izany no nipetrahan’i Hesao na i Edôma tany an-tendrombohitra Sehira.


Toy izao no lisitry ny taranak’i Hesao, razamben’ny Edômita izay nonina teny an-tendrombohitra Sehira.


TOMPO ô, tsarovy ny nafitsoky ny Edômita; fa tamin’ny andro nandravana an’i Jerosalema, dia ireo no nandrisika hoe: «Fongory io tanàna io, eny, fongory hatramin’ny fanorenany!»


Hafatra momba an’i Domà. Nisy niantso ahy avy ao Sehîra hoe: «Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao?»


Dia namaly ny mpiambina hoe: «Tonga ny maraina nefa mbola alina ihany! Raha mbola te hanontany ianareo, dia miverena indray.»


na dia efa any Tsôhàna aza ny lehibenareo ary tonga hatrany Hanesy ny masoivohonareo.


Dia noraisiko ny tsangambava izay teny an-tanan’ny TOMPO, ary nampisotroiko ny firenena rehetra izay nanirahan’ny TOMPO ahy.


–ny Edômita sy ny Môabita ary ny Hamônita;


«Tandremo tsy ho kivy na hatahotra ianareo noho ny tsaho izay taterina ao amin’ny tany. Fa hifandimby ny tsaho samihafa arakaraky ny taona: herisetra ao amin’ny tany, fanonganan’ny mpanao didy jadona an’izay talohany...


Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:


Miakatra eo alohanareo ny mpamaky lalana; dia hamaky ny vavahady ianareo ary hivoaka ny tanàna. Izy TOMPO, mpanjakanareo, no mandeha mitarika eo alohanareo.


Handre ady sy filazana ady ianareo, koa fadio izay hatahotra; eny, tsy maintsy ho tonga izany, kanefa tsy mbola izany no farany.


Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra fa tsy maintsy ho tonga izany, kanefa tsy mbola izany no ho farany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra