Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 25:30 - Baiboly Katolika

30 Ka hoy i Esao tamin’i Jakôba: «Mba avelao aho hihinana amin’ny mena, dia amin’io mena io, fa reraka aho.» Izany no nanaovana ny anaran’i Esao hoe Edôma.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Hoy i Esao tamin’i Jakoba: Mba omeo amin’io mena io aho hohaniko, dia io mena io, fa reraka aho. Izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

30 ka nangataka taminy hoe: –Mba omeo kely amin’io sakafo efa menafify io aho fa reraka. (Izany no niantsoana azy tamin’ny anaram-bositra hoe Edôma na Ilaimena).

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 ka nangataka taminy hoe: –Mba omeo kely amin’io sakafo efa menafify io aho fa reraka. (Izany no niantsoana azy tamin’ny anaram-bositra hoe Edôma na Ilaimena).

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Dia hoy Esao tamin’i Jakoba: Mba anomezo ahy honaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma).

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Dia hoy Esao tamin'i Jakoba: Mba anomezo ahy hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma).

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

30 Hoy i Esao tamin’i Jakoba: Mba omeo amin’io mena io aho hohaniko, dia io mena io, fa reraka aho. Izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 25:30
15 Rohy Ifampitohizana  

Nahandro hanina indrindra i Jakôba no tonga avy any an-tsaha i Esao, efa trotraky ny harerahana.


Ary hoy i Jakôba: «Amidio amiko àry aloha ny fizokianao.»


Ary nandefa iraka hialoha azy i Jakôba, ho any amin’i Esao, rahalahiny, any amin’i Seira any an-tsahan’i Edôma


Nomeny teny ireo nataony hoe: «Izao no holazainareo amin’ny tompoko, amin’i Esao: ‹Izao no tenin’i Jakôba mpanomponao: Nitoetra tany amin’i Labàna aho ary nijanona tany, mandrak’ankehitriny.


Izao no taranak’i Esao, izay Edôma ihany: Naka vady tamin’ny zanaka vavin’i Kanaana i Esao.


Ireo no zanaka lahin’i Esao, ireo no loham-pirenena; izany no Edôma.


Magdiela loham-pirenena, Hirama loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena amin’i Edôma, araka ny fonenany, any amin’ny tany onenany avy. Izany no Esao, rain’i Edôma.


Dia tany an-tendrombohitra Seira i Esao no nonina. I Esao dia Edôma ihany.


Izao no taranak’i Esao, rain’i Edôma tany an-tendrombohitra Seirà.


Tamin’ny androny no nialan’i Edôma tsy ho ambanin’ny fanapahan’i Jodà, fa nanangana mpanjaka ho azy.


Nivadi-po ambony ihany ireo andrian’i Edôma; Tera-kovitra ny maherin’i Moaba; Niraviravy tanana avokoa ny mponina any Kanaana;


Teny mamely an’i Edôma. Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Efa tsy misy fahendrena intsony va ao Temàna? Lany hevitra va ireo mahira-tsaina? Efa levona va ny fahendren’izy ireo?


Fahitan’i Abdiasa. Izao no nolazain’ny Tompo Iaveh tamin’i Edôma: - Nandray filazana avy amin’i Iaveh izahay ary nisy iraka nalefa ho any amin’ny firenena: Mitsangàna! Aoka hitsangan-kamely azy, izahay. -


Aza mankahala ny Edômita, fa rahalahinao izy; aza mankahala ny Ejiptianina, fa efa vahiny tany amin’ny taniny ianao:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra