Nikomy tamin’i Nabokodonozora mpanjaka aza izy, izay efa nampianiana azy tamin’ny anaran’Andriamanitra. Nanamafy ny hatony sy nanamafy ny fony izy, mba tsy hiverenany amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.
Nomery 30:3 - Baiboly Katolika Izao no didian’i Iaveh: Raha misy lehilahy mivoady amin’i Iaveh, na manao fianianana hamehezany ny tenany, dia tsy mahazo mitsoa-teny izy: izay rehetra naloaky ny vavany hataony avokoa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha misy lehilahy mifehy tena amin’ny voady amin’NY TOMPO dia tsy hamadika ny teny nataony izy fa araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony. DIEM PROTESTANTA «Raha misy lehilahy mivoady amin’ny TOMPO na mianiana hifady zavatra, dia tsy hitsoaka amin’ny teniny fa tsy maintsy hanatanteraka izay fampanantenana naloaky ny vavany izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Raha misy lehilahy mivoady amin’ny TOMPO na mianiana hifady zavatra, dia tsy hitsoaka amin’ny teniny fa tsy maintsy hanatanteraka izay fampanantenana naloaky ny vavany izy. Baiboly Protestanta Malagasy Raha misy lehilahy mivoady amin’i Jehovah, na mianiana hamehy ny fanahiny hifady, dia tsy hitsoa-teny izy; araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony. Malagasy Bible Raha misy lehilahy mivoady amin'i Jehovah, na mianiana hamehy ny fanahiny hifady, dia tsy hitsoa-teny izy; araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony. La Bible en Malgache Raha misy lehilahy mifehy tena amin’ny voady amin’NY TOMPO dia tsy hamadika ny teny nataony izy fa araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony. |
Nikomy tamin’i Nabokodonozora mpanjaka aza izy, izay efa nampianiana azy tamin’ny anaran’Andriamanitra. Nanamafy ny hatony sy nanamafy ny fony izy, mba tsy hiverenany amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.
Ny fisaorana no atero ho sorona ho an’Andriamanitra, ary efao amin’ny Avo indrindra ny voadinao.
«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao amin’izy ireo hoe: Raha misy olona mivoady, dia an’i Iaveh ny olona, araka izay anombananareo azy.
Raha misy vehivavy mbola zaza an-trano ao amin-drainy mivoady amin’i Iaveh sy manao famehezan-tena,
«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mitokana noho ny voady, dia voady ho nazareàna izany, mba hanokan-tena ho voninahitra ho an’i Iaveh,
Araka ny fanao amin’ny Eglizin’ny olona masina rehetra, dia aoka hangina ny vehivavy ao am-piangonana; fa tsy tandrify azy ny miteny ao, ka dia aoka hanoa izy, sady araka ny voalazan’ny Lalàna koa izany.
Noho ny fianianana nataon’ny lohan’ny fiangonana taminy tamin’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely dia tsy namely azy ireo izy, nefa nimonomonona tamin’ny filohany, ny fiangonana rehetra.
Vao nahita azy i Jefte dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: «Adray, anaka, mahaketraka ahy ianao ary anisan’izay mahavery hevitra ahy, fa efa niloa-bava tamin’i Iaveh aho, ka tsy afa-mifody intsony».
ary nivoady izy, nanao hoe: «Iavehn’ny tafika ô, raha mba mitsinjo ny fahorian’ny ankizivavinao Ianao, raha mahatsiaro ahy ka tsy manadino ny ankizivavinao, ka manome zazalahy ny ankizivavinao, dia homeko ho an’i Iaveh izy, amin’ny andro iainany rehetra, ary tsy ho kasihin-kareza ny lohany.»