Hotompoim-pirenena maro anie ianao, hiankohofam-pirenena maro ianao, ho tompon’ny rahalahinao anie ianao, hiankohofan’ny zana-dreninao ianao. Ho voaozona anie izay hanozona anao, fa hohasoavina kosa izay hanisy soa anao!»
Nomery 24:18 - Baiboly Katolika I Edôma dia lasan-ko fananany: Fa i Israely manampatra ny herim-pony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Edoma sy i Seìra fahavalony dia samy lasany ary dia mandroso amin-kery Israely. DIEM PROTESTANTA Lasan’io mpanjaka io koa i Sehîra, tanin’ny Edômita fahavalony. Maneho ny heriny kosa ny Israelita, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Lasan’io mpanjaka io koa i Sehîra, tanin’ny Edômita fahavalony. Maneho ny heriny kosa ny Israelita, Baiboly Protestanta Malagasy Edoma sy Seïra fahavalony dia samy lasany ho azy, Ary ny Isiraely mandroso amin-kery. Malagasy Bible Edoma sy Seïra fahavalony dia samy lasany ho azy, ary ny Isiraely mandroso amin-kery. La Bible en Malgache I Edoma sy i Seìra fahavalony dia samy lasany ary dia mandroso amin-kery Israely. |
Hotompoim-pirenena maro anie ianao, hiankohofam-pirenena maro ianao, ho tompon’ny rahalahinao anie ianao, hiankohofan’ny zana-dreninao ianao. Ho voaozona anie izay hanozona anao, fa hohasoavina kosa izay hanisy soa anao!»
ary ny rahalahinao no hotompoinao. Mbola ho avy anefa ny hanifihanao ny jiogany, ka ho tapakao ho afaka amin’ny vozonao iny.»
Ary nandefa iraka hialoha azy i Jakôba, ho any amin’i Esao, rahalahiny, any amin’i Seira any an-tsahan’i Edôma
Nametrahany miaramila mponina tao Edôma, nametrahany miaramila avokoa i Edôma tontolo, ka dia mpanompon’i Davida avokoa i Edôma rehetra. Nomen’i Iaveh an’i Davida ny fandresena, tany amin’izay rehetra nalehany.
Nananganan’i Iaveh fahavalo i Salômôna, dia i Adada Edômita, tamingam-panjakan’i Edôma.
Tamin’ny andro niadian’i Davida tamin’i Edôma, raha niakatra handevina ny maty i Jôaba filohan’ny tafika, dia namono ny lehilahy rehetra tany Edôma.
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Lisin’ny vavolombelona . Hira nataon’i Davida, hampianarina.
Fa efa mamon-dra teny amin’ny lanitra ny sabatro, ka indro izy midina ho any Edôma, ho any amin’ny firenena nataoko anatema hitsarana azy.
Iza moa ity avy any Edôma, avy any Bôsrà, mitafy mena midorehitra? Mamirapiratra izy amin’izany fitafiana izany, mijoro amin’ny haben’ny heriny. - Izaho ity, izay miteny amim-pahamarinana, sady manan-kery hamonjy.
Amin’izany andro izany ny tranobongon’i Davida efa nianjera, hatsangako indray, ny banga hotampenako, ny rava hamboariko; ka haoriko indray ho tahaka ny tamin’ny andro taloha;
mba hananan’izy ireo izay sisa amin’i Edôma, mbamin’ny firenena rehetra niantsoana ny Anarako, - teny marin’i Iaveh, - izay manao izany zavatra izany.
Hoy i Edôma taminy: «Tsy handalo atỳ amiko ianao, fa raha tsy izany, hivoaka hitsena anao amin’ny sabatra aho.»