Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 20:18 - Baiboly Katolika

18 Hoy i Edôma taminy: «Tsy handalo atỳ amiko ianao, fa raha tsy izany, hivoaka hitsena anao amin’ny sabatra aho.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Fa hoy ny Edomita taminy: Tsy mahazo mandeha mamakivaky ny taniko ianao, fandrao hivoaka hamely anao amin’ny sabatra aho.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

18 Fa hoy ny mpanjakan’i Edôma namaly azy: –Tsy mahazo mandalo ny taniko ianareo; fa raha tsy izany, dia ady no hitsenako anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Fa hoy ny mpanjakan’i Edôma namaly azy: –Tsy mahazo mandalo ny taniko ianareo; fa raha tsy izany, dia ady no hitsenako anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Fa hoy ny Edomita taminy: Tsy mahazo mandeha mamaky ny taniko hianao, fandrao hivoaka hamely anao amin’ny sabatra aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Fa hoy ny Edomita taminy: Tsy mahazo mandeha mamaky ny taniko ianao, fandrao hivoaka hamely anao amin'ny sabatra aho.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Fa hoy ny Edomita taminy: Tsy mahazo mandeha mamakivaky ny taniko ianao, fandrao hivoaka hamely anao amin’ny sabatra aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 20:18
6 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny zanak’i Israely taminy: «Ny lalam-be ihany no hiakaranay, ary raha misotro ny ranonao izahay, na izaho na ny biby fiompiko, dia hoefaiko ny vidin’izany. Zavatra tsy mampaninona akory izany, fa handalo mandeha tongotra fotsiny ihany aho.»


Hoy ny navaliny: «Tsy handalo ianao» sady nivoaka hitsena azy i Edôma, nombam-bahoaka be sy tafika mahery.


Tsy navelan’i Sehôna handalo ny faritaniny i Israely, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy, ka nivoaka hitsena an’i Israely, tany an’efitra; dia tonga tany Jasà ary rafitra ady tamin’i Israely.


Niala tany an-tendrombohitra Hora izy ireo, dia nihazo ny lalan’ny Ranomasina Mena, hanodidina ny tanin’i Edôma. Namoifo tsy niaritra ny vahoaka tamin’io lalana io,


I Edôma dia lasan-ko fananany: Fa i Israely manampatra ny herim-pony.


Efa nanao izany tamiko ny taranak’i Esao monina any Seira, sy ny Moabita monina any Ara mandra-pitàko an’i Jordany, ho any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitray anay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra