Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 20:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Fa hoy ny mpanjakan’i Edôma namaly azy: –Tsy mahazo mandalo ny taniko ianareo; fa raha tsy izany, dia ady no hitsenako anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Fa hoy ny Edomita taminy: Tsy mahazo mandeha mamakivaky ny taniko ianao, fandrao hivoaka hamely anao amin’ny sabatra aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Fa hoy ny mpanjakan’i Edôma namaly azy: –Tsy mahazo mandalo ny taniko ianareo; fa raha tsy izany, dia ady no hitsenako anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Hoy i Edôma taminy: «Tsy handalo atỳ amiko ianao, fa raha tsy izany, hivoaka hitsena anao amin’ny sabatra aho.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Fa hoy ny Edomita taminy: Tsy mahazo mandeha mamaky ny taniko hianao, fandrao hivoaka hamely anao amin’ny sabatra aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Fa hoy ny Edomita taminy: Tsy mahazo mandeha mamaky ny taniko ianao, fandrao hivoaka hamely anao amin'ny sabatra aho.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Fa hoy ny Edomita taminy: Tsy mahazo mandeha mamakivaky ny taniko ianao, fandrao hivoaka hamely anao amin’ny sabatra aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 20:18
6 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny Israelita taminy: –Ny lalambe ihany no hiakaranay; koa raha hisotro amin’ny ranonao izahay sy ny biby fiompinay, dia haloanay aminao ny vidin’izany. Tokana ny zavatra angatahinay, dia ny handalo eo fotsiny ihany.


Fa novalian’ny mpanjakan’i Edôma hoe: –Tsy mahazo mandalo eo ianareo. Dia nivoaka nitsena azy niaraka tamin’ny vahoaka marobe nirongo fiadiana ny Edômita.


Nefa i Sihôna tsy namela ny Israelita hamaky eo amin’ny taniny; fa nangoniny avokoa ny tafiny rehetra, ka lasa izy nitsena ny Israelita hatrany Jahatsà, any an-taniefitra ary niady taminy tao.


Niala tao an-tendrombohitra Hôra ny Israelita, ka nihazo tamin’ny lalan’ny Ranomasin’ny Volotara hanodidina ny tanin’i Edôma. Teny an-dalana anefa dia very toky ny vahoaka.


Lasan’io mpanjaka io koa i Sehîra, tanin’ny Edômita fahavalony. Maneho ny heriny kosa ny Israelita,


Efa navelan’ireo taranak’i Hesao monina any Sehîra sy ireo Môabita monina any Hara hanao toy izany izahay. Handalo fotsiny izahay mandra-pahatonganay eo amin’ny toerana hitànay ny ony Jôrdàna ho any amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitray anay.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra