Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 20:17 - Baiboly Katolika

17 Koa mihanta aminao, mba avelao izahay hamaky ny taninao, fa tsy handeha hamaky ny saha izahay, na ny tanimboaloboka, ary tsy hisotro ny rano amin’ny fantsakana; hizotra amin’ny lalan’andriana izahay fa tsy hivily ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, mandra-pahafakay ny faritaninao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 koa avelao mba handeha hamakivaky ny taninao izahay; fa tsy handeha hamakivaky ny saha sy ny tanim-boaloboka na hisotro ny rano amin’ny vovo fantsakana akory izahay, fa ny Lalan’andriana ihany no halehanay ka tsy hivily izahay na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia mandra-pihoatranay ny sisintaninao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

17 Koa mba avelao re izahay handeha hamaky eo amin’ny taninao. Tsy hamaky any amin’ny saha na ny tanimboaloboka izahay, ary tsy hisotro amin’ny ranom-pantsakana; fa iny arabe migodana iny ihany no hizoranay ka tsy hivilivily hiankavia na hiankavanana izahay mandra-pahafakay ny faritry ny taninao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Koa mba avelao re izahay handeha hamaky eo amin’ny taninao. Tsy hamaky any amin’ny saha na ny tanimboaloboka izahay, ary tsy hisotro amin’ny ranom-pantsakana; fa iny arabe migodana iny ihany no hizoranay ka tsy hivilivily hiankavia na hiankavanana izahay mandra-pahafakay ny faritry ny taninao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 koa aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay; fa tsy handeha hamaky ny saha sy ny tanimboaloboka, na hisotro ny rano amin’ny lavaka fantsakana akory: ny làlan’andriana ihany no halehanay, fa tsy hania izahay na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia mandra-pahafakay ny faritry ny taninao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 koa aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay; fa tsy handeha hamaky ny saha sy ny tanim-boaloboka, na hisotro ny rano amin'ny lavaka fantsakana akory: ny lalan'andriana ihany no halehanay, fa tsy hania izahay na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia mandra-pahafakay ny faritry ny taninao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 koa avelao mba handeha hamakivaky ny taninao izahay; fa tsy handeha hamakivaky ny saha sy ny tanim-boaloboka na hisotro ny rano amin’ny vovo fantsakana akory izahay, fa ny Lalan’andriana ihany no halehanay ka tsy hivily izahay na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia mandra-pihoatranay ny sisintaninao.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 20:17
7 Rohy Ifampitohizana  

Ankehitriny, indreo ny taranak’i Amôna sy i Moaba mbamin-dry zareo avy any an-tendrombohitra Seira, izay tsy navelanao hidiran’i Israely fony izy avy any amin’ny tany Ejipta, ka nivily izy, fa tsy nandrava azy.


Ren’ilay Kananeanina, mpanjakan’i Arada, nonina tao Negeba, fa hoe tamy i Israely, mihazo ny lalana mankany Atarîna, ka rafitra niady taminy, sy nahazo sambo-belona tamin’i Israely izy.


Aoka mba hamaky ny taninao aho, dia homba ny lalam-be fotsiny, fa tsy hivily na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia.


Hamidinao vola amiko ny hanin-kohaniko; ny rano hosotroiko hatakalonao vola amiko; fa ny handalo mandeha tongotra fotsiny no tadiaviko.


Efa nanao izany tamiko ny taranak’i Esao monina any Seira, sy ny Moabita monina any Ara mandra-pitàko an’i Jordany, ho any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitray anay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra