Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 24:17 - Baiboly Katolika

17 Hitako izy, fa tsy toy ny ankehitriny, Tazako izy fa tsy mba akaiky. Misy kintana iray miposaka avy amin’i Jakôba, Tehim-panjakana iray mitsangana avy amin’i Israely. Mandrava an’i Moaba eo an-daniny roa izy, Ary mandringana ny zanaky ny fitabatabana rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Hitako Izy nefa tsy ankehitriny. Tazako Izy nefa tsy akaiky. Misy kintana miseho avy amin’i Jakoba ary tehim-panjakana miposaka avy amin’Israely ka manapotika ny fihirifan’i Moaba sy ny karandohan’ireo mpitabataba rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

17 «Izao no hitako, saingy tsy mbola ankehitriny no hisehoany; izao no tazako, saingy mbola any aoriana lavitra no hitrangany; Misy kintana mipoitra avy amin’ny taranak’i Jakôba, misy mpanjaka mipongatra avy amin’ny Israelita ka ny tehim-panjakàny no mamely ny fihirifan’ny Môabita sy ny lohan’ny mpanakorontana rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 «Izao no hitako, saingy tsy mbola ankehitriny no hisehoany; izao no tazako, saingy mbola any aoriana lavitra no hitrangany; Misy kintana mipoitra avy amin’ny taranak’i Jakôba, misy mpanjaka mipongatra avy amin’ny Israelita ka ny tehim-panjakàny no mamely ny fihirifan’ny Môabita sy ny lohan’ny mpanakorontana rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Hitako Izy, nefa tsy ankehitriny; Tazako Izy, nefa tsy akaiky; Misy kintana miseho avy amin’i Jakoba Sy tehim-panjakana miposaka avy amin’Isiraely Ka mandrava ny sisin-tanin’i Moaba Ary mandringana ny mpitabataba rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Hitako Izy, nefa tsy ankehitriny; tazako Izy, nefa tsy akaiky; misy kintana miseho avy amin'i Jakoba sy tehim-panjakana miposaka avy amin'Isiraely ka mandrava ny sisin-tanin'i Moaba Ary mandringana ny mpitabataba rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Hitako Izy nefa tsy ankehitriny. Tazako Izy nefa tsy akaiky. Misy kintana miseho avy amin’i Jakoba ary tehim-panjakana miposaka avy amin’Israely ka manapotika ny fihirifan’i Moaba sy ny karandohan’ireo mpitabataba rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 24:17
33 Rohy Ifampitohizana  

Tsy hiala amin’i Jodà ny tehim-panjakana, tsy hiala eo anelanelan’ny tongony ny tehina fanapahana, mandra-piavin’i Silô: Izy no hotoavin’ny firenena.


Nametrahany miaramila mponina tao Edôma, nametrahany miaramila avokoa i Edôma tontolo, ka dia mpanompon’i Davida avokoa i Edôma rehetra. Nomen’i Iaveh an’i Davida ny fandresena, tany amin’izay rehetra nalehany.


Nandresy ny Moabita koa izy, ary nampandriny tamin’ny tany ireo, dia norefesiny tamin’ny kofehy, ka nandrefy indroan’ny kofehy izy, novonoiny ny eran’ny kofehy, novelominy ny eran’ny kofehy. Dia tonga mpanompon’i Davida ny Moabita, ka nanatitra hetra ho azy.


Nony maty anefa i Akaba dia niodina tamin’ny mpanjakan’i Israely ny mpanjakan’i Moaba.


Nandresy ny Moabita izy, ka tonga mpanompo manatitra hetra ho an’i Davida ny Moabita.


Hanitatra ny tehina fanapahanao, avy ao Siôna i Iaveh: manjakà amim-pahefan’ny Tompo eo amin’ny fahavalonao ianao!


Maranitra ny zana-tsipìkanao; firenena maro no ho lavo eo an-tongotrao.- Hotrabaran’ireny ny fon’ny fahavalon’ny mpanjaka.


Faminaniana ny amin’i Moaba. Marina tokoa fa ny alina nandrobana azy, dia fongotra i Ara-Moâba. Ny alina nandrobana azy, i Kira-Moaba dia fongotra.


Nandefa teny ho an’i Jakôba, ny Tompo, ary mihatra amin’i Israely izany;


An’i Moaba. Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Loza ho an’i Nabô, fa rava; safo-kenatra i Kariataima, fa azo; safo-kenatra ny trano mimanda, fa voazera;


Mijanona eo amin’ny alokalok’i Hesebona ny mpandositra lany hery; kanjo misy afo mivoaka avy ao Hesebona, ary misy lelafo avy ao afovoan’i Sehôna; ka nandevona ny valahan’i Moaba, sy ny karan-dohan’ny zanaky ny fitabatabana.


Avy aminy no hiavian’ny antoko-miaramila, avy aminy ny orin-kazo, avy aminy ny tsipìka fiadiana; avy aminy avokoa no hivoahan’ny filoha rehetra.


Ary haidiko amin’ny taranak’i Davida sy amin’ny mponina ao Jerosalema ny fanahin’ny fahasoavana amam-piofanana; ka hatodiny ny masony hijery ahy izay nolefoniny. Ary hanao fisaonana azy izy, toy ny fisaonana zanaka lahitokana; hitomany mafy azy izy ireo toy ny fitomany zanaka lahy matoa.


Loza ho anao, ry Moaba! Levona ianao, ry vahoakan’i Kamôzy; Nafoiny ny zanany lahy nandositra, Ary ny zanany vavy lasan-ko babo Ho an’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana.


Faminanian’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra, Izay mahalala ny fahaizan’ny Avo indrindra, Izay mibanjina ny fahitan’ny Tsitoha, Izay lavo ka misokatra ny masony:


Noho ny halehiben’ny famindram-pon’ny Andriamanitsika nampiposaka ny Masoandro hamangy antsika avy any ambony,


fa ny Zanaka kosa ataony hoe: Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria, ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao.


satria fantatra miharihary fa avy amin’i Jodà foko tsy mba voalazan’i Môizy ho nisy mpisorona akory ny Tompontsika.


Ary mafy orina kokoa ho antsika amin’izany ny Soratra faminaniana, izay tsara raha dinihinareo, fa toy ny jiro manazava ao amin’ny toerana maizimaizina izany, mandra-pipoaky ny andro, sy iposahan’ny kintana fitarikandro ao am-ponareo.


Mila loza ireo, fa tafiditra amin’ny lalan’i Kaina izy, sy tafahitsoky ny tamby amin’ny hadisoan’i Balaama, ary nanary tena amin’ny fikomian’i Kôre.


Indro Izy avy eo amin’ny rahona, ka hahita Azy ny maso rehetra, na dia ny an’ireo nandefona Azy aza; ary handòn-tratra ny firenena rehetra ambonin’ny tany amin’ny fahitana Azy. Eny. Amen.


Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahafito, ka nisy feo mahery avy any an-danitra nanao hoe: «Lasan’ny Tompontsika sy ilay Kristiny ny fanjakan’izao tontolo izao, ka hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy.»


Izaho Jesoa no naniraka ny Anjeliko hanambara ireo zavatra ireo aminareo ho an’ny Eglizy. Dia Izaho ilay solofo sy taranak’i Davida ary kintana mamirapiratra fitarika andro.


Hoy i Saola: «Avia atỳ ianareo rehetra loholon’ny vahoaka. Zahao ka fantaro izay fahotana natao androany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra