Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 24:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Lasan’io mpanjaka io koa i Sehîra, tanin’ny Edômita fahavalony. Maneho ny heriny kosa ny Israelita,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 I Edoma sy i Seìra fahavalony dia samy lasany ary dia mandroso amin-kery Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Lasan’io mpanjaka io koa i Sehîra, tanin’ny Edômita fahavalony. Maneho ny heriny kosa ny Israelita,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 I Edôma dia lasan-ko fananany: Fa i Israely manampatra ny herim-pony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Edoma sy Seïra fahavalony dia samy lasany ho azy, Ary ny Isiraely mandroso amin-kery.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Edoma sy Seïra fahavalony dia samy lasany ho azy, ary ny Isiraely mandroso amin-kery.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 I Edoma sy i Seìra fahavalony dia samy lasany ary dia mandroso amin-kery Israely.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 24:18
15 Rohy Ifampitohizana  

Hanompo anao anie ireo firenena ary hiankohoka eo anatrehanao ny vahoaka maro! Ho tompon’ny rahalahinao anie ianao ka hiankohoka eo anoloanao ireo zanaky ny reninao! Ho voaozona anie izay manozona anao ary hohasoavina izay manisy soa anao!


Fa ny sabatrao no hivelomanao, ary ny rahalahinao no hotompoinao. Nefa hiavo-tena ianao ka hanapotika ny ziogany hiala amin’ny vozonao.»


Rehefa nahita ireo i Jakôba, dia niteny hoe: –Tobin’Andriamanitra ity! Dia nantsoiny hoe Mahanaima izany toerana izany.


Nametrahany governora tany Edôma; eny, nametrahany governora i Edôma manontolo, ka tonga olom-pehezin’i Davida avokoa ny mponiny. Ary nampandresy an’i Davida tamin’izay fanafihany rehetra ny TOMPO.


Ary nanangana olona iray hanohitra an’i Salômôna ny TOMPO, dia i Hadada izay Edômita taranaky ny mpanjakan’i Edôma.


Tamin’ny fotoana niadian’i Davida tamin’ny fanjakan’i Edôma no nitrangan’izany. Nandeha tany i Jôaba filohan-tafika handevina ny Israelita maty an’ady; ary avy eo izy dia nampandringana ny lehilahy edômita rehetra.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny gitara. Hira malefaka fahatsiarovana, nataon’i Davida ho fampianarana.


Eny ana habakabaka ilay sabatry ny TOMPO no mandihindihy toa mamo, ka indro miantonta hamely an’i Edôma, dia ilay firenena voatendry haringana mba ho famaizan’ny TOMPO azy.


Iza àry ity tonga avy any Edôma, avy any Bôtserà renivohiny, ka manao fitafiana miloko mena? Izato izy miedinedina amin’akanjo marevaka, miandranandrana amin’ny haben’ny heriny! –Izaho izany, hoy ny Tompo, dia Izaho izay mitory ny fanafahana sady manan-kery hamonjy!


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Ilay tanànan’i Davida izao dia toy ny tranobongo efa nianjera. Fa ho avy ny andro izay hananganako indray izany tanàna izany, ka hofefeko ireo banga amin’ny màndany hatsangako ny rava tao aminy, ary haoriko indray ny tanàna ho tahaka ny taloha.


Amin’izay no hakan’i Israely ny tany sisa amin’i Edôma sy amin’ny firenena hafa rehetra izay nomarihina ny anarako hananako azy. Izaho Tompo no hahatanteraka izany.»


«Indro ianao, ry Edôma, fa hataoko osa indrindra eo amin’ny firenena; ka hotsiratsiraina izaitsizy ianao!


Fa hoy ny mpanjakan’i Edôma namaly azy: –Tsy mahazo mandalo ny taniko ianareo; fa raha tsy izany, dia ady no hitsenako anareo.


fa misy mpanapaka hiseho avy amin’ny taranak’i Jakôba ka handringana ny sisa velona afa-mandositra avy ao Sehîra.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra