Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 24:19 - DIEM PROTESTANTA

19 fa misy mpanapaka hiseho avy amin’ny taranak’i Jakôba ka handringana ny sisa velona afa-mandositra avy ao Sehîra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Avy amin’i Jakoba no isehoan’Izay hanapaka ka handringana izay sisa tao an-tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 fa misy mpanapaka hiseho avy amin’ny taranak’i Jakôba ka handringana ny sisa velona afa-mandositra avy ao Sehîra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Misy mpifehy avy amin’i Jakôba, Ka haringany eny an-tanàna ny sisa tavela.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary avy amin’i Jakoba no isehoan’Izay hanapaka Ka handringana izay sisa avy ao an-tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary avy amin'i Jakoba no isehoan'Izay hanapaka ka handringana izay sisa avy ao an-tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Avy amin’i Jakoba no isehoan’Izay hanapaka ka handringana izay sisa tao an-tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 24:19
19 Rohy Ifampitohizana  

Tsy hiala amin’i Joda ny tehim-panjakana, ary tsy hiala amin’ny taranany ny tehim-pibaikoana mandra-pahatongan’ilay tena tompony izay hankatoavin’ny firenena rehetra.


Amin’izany andro izany ny solofon’i Jisay dia hatsangana ho fanevan’ny firenena rehetra; ka hitady azy ny firenen-kafa, ary hanjary be voninahitra ny fonenany.


–Noho izany, ny Tompo dia hanolotra ny vahoakany amin’ny fahavalo mandra-piavin’ny andro hahatera-dahy ny vehivavy iray; ka izay sisa velona, amin’ireo rahalahiny voasesi-tany, dia hiverina ho any amin’ireo Israelita namany.


izy no hitondra fiadanana! –Raha tonga hanafika ny tanintsika ny Asirianina ka hitsofoka hatraty an-dapantsika, dia hanangana mpitari-tafika marobe hamelezana azy isika.


Lasan’io mpanjaka io koa i Sehîra, tanin’ny Edômita fahavalony. Maneho ny heriny kosa ny Israelita,


Nahita ny Hamalekita i Balahama ka nanonona izao teny izao: «Ny Hamalekita no lohalaharana amin’ny hafa firenena rehetra; fa ho lany ringana no hiafaràny.»


Dia hiroso ho any amin’ny fijaliana maharitra mandrakizay ireo fa ny olo-marina kosa ho any amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay.


Dia nanatona azy rehetra i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Efa nomena Ahy avokoa ny fahefana any an-danitra sy etỳ an-tany;


Toy izao àry ny tenin’i Jesoa: –Lasa tany an-tany lavitra ity andriandahy anankiray handray ny fahefana hanjaka, dia hiverina.


Fa iretsy fahavaloko tsy nanaiky hanjakako iretsy, dia ento atỳ ka vonoy eto anatrehako!»


Satria tsy maintsy manjaka i Kristy, ary hataon’Andriamanitra eo ambany tongotr’i Kristy avokoa ireo fahavalo rehetra.


Fa ny amin’ilay Zanaka kosa dia hoy Izy hoe: «Ny sezafiandriananao, Andriamanitra ô, dia maharitra mandrakizay mandrakizay; araka ny hitsiny no itondranao ny Fanjakànao.


dia Ilay efa lasa any an-danitra sy mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra, ka eken’ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.


Ary izao no anarana voasoratra teo amin’ny akanjobe nanarona ny feny: «Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra