Nomery 2:34 - Baiboly Katolika Notanterahin’ny zanak’i Israely avokoa izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy. Toy izany no nitobiany samy araka ny fanevany avy. Toy izany no nilaharany teo am-pandehanana araka ny fianakaviany avy sy ny tokom-pianakaviany avy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanatanteraka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny Zanak’Israely ka nitoby araka ny fanevany avy; samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy. DIEM PROTESTANTA Notanterahin’ny Israelita izany, araka ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy; ka araka ny fanevany avy no nitobiany ary araka ny foko sy ny tarika nisy azy avy no niaingany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Notanterahin’ny Israelita izany, araka ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy; ka araka ny fanevany avy no nitobiany ary araka ny foko sy ny tarika nisy azy avy no niaingany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny Zanak’Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy. Malagasy Bible Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy. La Bible en Malgache Nanatanteraka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny Zanak’Israely ka nitoby araka ny fanevany avy; samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy. |
Vitan’ny zanak’i Israely izany asa rehetra izany, araka izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Ny zanak’i Israely, dia samy hiorin-dasy ao amin’ny anjara tobiny samy manakaiky ny fanevany araka ny isan-tokony avy.
Dia notanterahin’ny zanak’i Israely avokoa izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy; nataony izany.
Ka nanohy ny diany ny zanak’i Israely, dia niala tao amin’ny efitra Sinaia, ary tany amin’ny efitra Faràna no nijanona ny rahona.
Izany no filaharan’ny zanak’i Israely teny an-dalana araka ny antokony avy. Dia niainga handeha izy ireo.
«Ny zanak’i Israely dia samy hitoby eo akaikin’ny fanevany, sy ho eo am-pototry ny sainan’ny fokom-pianakaviany avy. Manandrify sy manodidina ny trano lay fihaonana no hitobian’izy ireo.»
Tsy anisan’ny voaisa niaraka tamin’ny zanak’i Israely ny Levita, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Tsy mahita faharatsiana amin’i Jakôba Izy, tsy mahita tsy fahamarinana amin’i Israely. I Iaveh Andriamaniny no momba azy; Fihobiana mpanjaka no manakoako ao aminy;
Ary nony natopiny ny masony, dia nahita an’i Israely nitoby isam-pokony izy, ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra izy,
Izao no taranak’i Arôna sy i Môizy, tamin’ny andro nitenenan’i Iaveh tamin’i Môizy, teny an-tendrombohitra Sinaia.
Samy marina teo imason’Andriamanitra izy mivady, sady nitondra tena tsy nanan-tsiny tamin’ny didy sy ny tenin’ny Tompo rehetra.