Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 2:34 - DIEM PROTESTANTA

34 Notanterahin’ny Israelita izany, araka ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy; ka araka ny fanevany avy no nitobiany ary araka ny foko sy ny tarika nisy azy avy no niaingany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Nanatanteraka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny Zanak’Israely ka nitoby araka ny fanevany avy; samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Notanterahin’ny Israelita izany, araka ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy; ka araka ny fanevany avy no nitobiany ary araka ny foko sy ny tarika nisy azy avy no niaingany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

34 Notanterahin’ny zanak’i Israely avokoa izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy. Toy izany no nitobiany samy araka ny fanevany avy. Toy izany no nilaharany teo am-pandehanana araka ny fianakaviany avy sy ny tokom-pianakaviany avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Ary ny Zanak’Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

34 Nanatanteraka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny Zanak’Israely ka nitoby araka ny fanevany avy; samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 2:34
15 Rohy Ifampitohizana  

dia tsy ho menatra aho mandinika ny didinao rehetra.


Notanterahin’ny Israelita ny asa rehetra araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


mifanaraka amin’ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy. Tao an-taniefitr’i Sinay no nanaovany ny fanisana.


Ny Israelita dia samy hitoby eo amin’ny tobiny avy sy eo akaikin’ny vondron-tafiny avy.


Notanterahin’ny Israelita avokoa izany, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Ary niainga tao amin’ny taniefitr’i Sinay ny Israelita. Tany an-taniefitr’i Paràna kosa no nijanona ny rahona.


Izany no filaharan’ny Israelita mbamin’ny antokon-tafiny avy, rehefa niainga izy.


–Ny Israelita dia samy hitoby eo akaikin’ny vondron-tafiny sy ny fanevan’ny fokony avy. Ny toby dia tsy maintsy manodidina ny Tranolay fihaonana kanefa lavidavitra azy.


Ny Levita ihany no tsy natao fanisana niaraka tamin’ny Israelita hafa araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Tsy nahita tsiny tamin’ny taranak’i Jakôba ny TOMPO na faharatsiana teo amin’ny vahoaka israelita. Ny Tompo Andriamaniny no momba azy, ka anaovany fihobiana toy ny mpanjakany.


Rehefa niandrandra i Balahama, dia nahita ireo Israelita nitoby isaky ny fokony avy; ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra izy,


Ireto avy ny taranak’i Aharôna sy i Mosesy tamin’ny andro nitenenan’ny TOMPO tamin’i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay.


Olo-marina teo anatrehan’Andriamanitra izy mivady ary nanaraka ny didy amam-pitsipiky ny Tompo an-tsakany sy an-davany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra