Baiboly an-tserasera

dokam-barotra

Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao

Nomery 2:18 - Baiboly Katolika

Ny fanevan’i Efraima no ho eo andrefana, mbamin’ny antokony. Ny filohan’ny taranak’i Efraima, dia Elisamà zanak’i Amioda:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny fanevan’ny tobin’i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin’ny lafiny andrefana. Ny lohan’ny taranak’i Efraima dia i Elisama, zanak’i Amihoda.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Amin’ny lafiny andrefana no hisy ireo tafika mivondrona ao amin’ny tobin’i Efraîma, ka ahitana ny tafika efraîmita sy manasita ary benjaminita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin’ny filoha anankiray avy amin’ny fokony araka izao: ho an’ny fokon’i Efraîma dia i Elisamà zanakalahin’i Hamihoda miaraka amin’ny vatan-dehilahy 40 500; ho an’ny fokon’i Manase dia i Gamaliela zanakalahin’i Pedahatsoro miaraka amin’ny vatan-dehilahy 32 200; ho an’ny fokon’i Benjamîna dia i Abidàna zanakalahin’i Gidehônỳ miaraka amin’ny vatan-dehilahy 35 400.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny fanevan’ny tobin’i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin’ny lafiny andrefana; ary ny lohan’ny taranak’i Efraima dia Elisama, zanak’i Amihoda;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny fanevan'ny tobin'i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny andrefana; ary ny lohan'ny taranak'i Efraima dia Elisama, zanak'i Amihoda;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny fanevan’ny tobin’i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin’ny lafiny andrefana. Ny lohan’ny taranak’i Efraima dia i Elisama, zanak’i Amihoda.

Jereo ny toko

Nomery 2:18
13 Rohy Ifampitohizana  

Koa ankehitriny, ny zanakao roa lahy izay naterakao tatỳ Ejipta, talohan’ny nahatongavako aty aminao teto Ejipta, dia ho ahy; ho ahy, tahaka an-dRobena sy i Simeôna koa i Efraima sy i Manase,

Hiverina amin-dranomaso izy; ary eo amin’ny fifonany no hitondrako azy miverina; eny amin’ny rano velona, no hitarihako azy, amin’ny lalana marin-tampona tsy hahatafintohina azy; satria efa ray ho an’i Israely Aho, ary lahimatoako i Efraima.

ny amin’ny terak’i Josefa: ny amin’i Efraima: Elisamà zanak’i Amioda; ny amin’i Manase: Gamaliela zanak’i Fadasora:

Ny zanak’i Josefa: ny taranak’i Efraima, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rehefa nisaina ny anarany hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana,

Dia niainga ny fanevan’ny tobin’ny zanak’i Efraima, araka ny antokony avy; ary ny antokony dia nofehezin’i Amioda;

ary 40.500 ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa.

Tamin’ny andro fahafito, an’i Elisamà zanak’i Amioda, filohan’ny zanak’i Efraima;

ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Elisamà zanak’i Amioda.

An’ny ombalahiny voalohan-teraka, azy ny dera, tandrok’ombimanga no tandrony; amin’io no hanotoany ny vahoaka rehetra hatrany amin’ny fara vazantany. Toy izany ny alinalin’i Efraima, Toy izany ny arivoarivon’i Manase».