Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 2:18 - DIEM PROTESTANTA

18-23 «Amin’ny lafiny andrefana no hisy ireo tafika mivondrona ao amin’ny tobin’i Efraîma, ka ahitana ny tafika efraîmita sy manasita ary benjaminita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin’ny filoha anankiray avy amin’ny fokony araka izao: ho an’ny fokon’i Efraîma dia i Elisamà zanakalahin’i Hamihoda miaraka amin’ny vatan-dehilahy 40 500; ho an’ny fokon’i Manase dia i Gamaliela zanakalahin’i Pedahatsoro miaraka amin’ny vatan-dehilahy 32 200; ho an’ny fokon’i Benjamîna dia i Abidàna zanakalahin’i Gidehônỳ miaraka amin’ny vatan-dehilahy 35 400.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ny fanevan’ny tobin’i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin’ny lafiny andrefana. Ny lohan’ny taranak’i Efraima dia i Elisama, zanak’i Amihoda.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18-23 «Amin’ny lafiny andrefana no hisy ireo tafika mivondrona ao amin’ny tobin’i Efraîma, ka ahitana ny tafika efraîmita sy manasita ary benjaminita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin’ny filoha anankiray avy amin’ny fokony araka izao: ho an’ny fokon’i Efraîma dia i Elisamà zanakalahin’i Hamihoda miaraka amin’ny vatan-dehilahy 40 500; ho an’ny fokon’i Manase dia i Gamaliela zanakalahin’i Pedahatsoro miaraka amin’ny vatan-dehilahy 32 200; ho an’ny fokon’i Benjamîna dia i Abidàna zanakalahin’i Gidehônỳ miaraka amin’ny vatan-dehilahy 35 400.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Ny fanevan’i Efraima no ho eo andrefana, mbamin’ny antokony. Ny filohan’ny taranak’i Efraima, dia Elisamà zanak’i Amioda:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary ny fanevan’ny tobin’i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin’ny lafiny andrefana; ary ny lohan’ny taranak’i Efraima dia Elisama, zanak’i Amihoda;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary ny fanevan'ny tobin'i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny andrefana; ary ny lohan'ny taranak'i Efraima dia Elisama, zanak'i Amihoda;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Ny fanevan’ny tobin’i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin’ny lafiny andrefana. Ny lohan’ny taranak’i Efraima dia i Elisama, zanak’i Amihoda.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 2:18
13 Rohy Ifampitohizana  

Hoy izy nanampy izany: –Koa ankehitriny, ireo zanakao roa lahy, teraka teto Ejipta talohan’ny nahatongavako taty aminao, dia raisiko ho zanako. Eny, ho zanako mitovy amin’i Reobena sy i Simehôna mihitsy i Manase sy i Efraîma.


Tonga am-pitomaniana izy ka narahiko sady nampiononiko. Any amin’ny lemaka misy rano no hitarihako azy ary lala-mahitsy no hizorany ka tsy ho tafintohina izy. Ho Ray Aho amin’i Israely, ary ho lahimatoako i Efraîma.»


i Elisamà zanak’i Hamihoda no avy amin’ny fokon’i Efraîma zanak’i Jôsefa; i Gamaliela zanak’i Pedahatsoro no avy amin’ny fokon’i Manase zanak’i Jôsefa;


Ny fanevan’i Efraîma mbamin’ny antokon-tafiny no nanainga manaraka; ny tafiky ny taranak’i Efraîma dia notarihin’i Elisamà, zanakalahin’i Hamihoda;


Homem-boninahitra anie ny taranak’i Jôsefa satria mahery tahaka ny ombalahy izy! Tahaka ny ombimanga be tandroka izy, ka manan-tandroka roa hanotoany ny firenena rehetra hatrany amin’ny faravazan-tany, dia ny miaramila alinalin’ny fokon’i Efraîma sy ny miaramila arivoarivon’ny fokon’i Manase.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra