Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 11:21 - Baiboly Katolika

Hoy i Môizy: «Ny vahoaka manodidina ahy, dia enina hetsy ny lehilahy mandeha tongotra, ka lazainao hoe: Homeko hena izy ireo, sady hihinana izany iray volana maninjitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy i Mosesy: Miaramila enina hetsy ny firenena manodidina ahy, nefa hoy Ianao: Homeko hena izy mba hohaniny mandritra ny iray volana!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia hoy i Mosesy hoe: –Ireo vahoaka manodidina ahy ireo dia ahitana miaramila mpandeha an-tongotra misy andiany eninjato, ka hoy Ianao hoe: «Homeko hena izy ka hihinana izany iray volana maninjitra!»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy i Mosesy hoe: –Ireo vahoaka manodidina ahy ireo dia ahitana miaramila mpandeha an-tongotra misy andiany eninjato, ka hoy Ianao hoe: «Homeko hena izy ka hihinana izany iray volana maninjitra!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy Mosesy: Ny olona izay itoerako dia lehilahy enina hetsy izay mahalia làlana; ary hoy Hianao: Homeko hena izy mba hohaniny mandritra ny iray volana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy Mosesy: Ny olona izay itoerako dia lehilahy enina hetsy izay mahalia lalana; ary hoy ianao: Homeko hena izy mba hohaniny mandritra ny iray volana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy i Mosesy: Miaramila enina hetsy ny firenena manodidina ahy, nefa hoy Ianao: Homeko hena izy mba hohaniny mandritra ny iray volana!

Jereo ny toko



Nomery 11:21
9 Rohy Ifampitohizana  

Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao.


«Niala tao Ramsesa ny zanak’i Israely dia nankany Sokôta; sahabo ho enina hetsy izy no olona mandeha an-tongotra afa-tsy ny ankizy.


Bekà iray isan’olona izany na antsasaky ny sikla iray, araka ny sikla masina, isan’olona, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, izay tratry ny fanisana, dia olona dimampolo amby dimanjato sy telo arivo sy enina hetsy.


ny voaisa rehetra dia nisy 603.550.


Aiza no hangalako hena homena an’izao vahoaka rehetra izao? Fa mitomany manodidina ahy izy, manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay.


fa hatramin’ny iray volana maninjitra, dia mandra-pivoakany amin’ny vavoronareo, sy hampaharikoriko anareo; satria ianareo efa nitsipaka an’i Iaveh izay eo afovoanareo, sy nitomany teo anatrehany nanao hoe: Naninona re no nivoaka tany Ejipta foana izahay?»


Ny omby aman’ondry va no hovonoina ho azy ireo, mba ho ampy ho azy sa ny hazan-drano rehetra any an-dranomasina no hangonina, mba ho ampy ho azy?»


Ireo no isan’ny zanak’i Israely voasoratra tamin’ny fanisana azy, araka ny fokom-pianakaviany avy. 603.550 no totalin’ny lehilahy voaisa, voatokotoko isan-tobiny araka ny antoko-miaramilany avy.


Izao no zanak’i Israely voaisa: 601.730.