Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 11:20 - Baiboly Katolika

20 fa hatramin’ny iray volana maninjitra, dia mandra-pivoakany amin’ny vavoronareo, sy hampaharikoriko anareo; satria ianareo efa nitsipaka an’i Iaveh izay eo afovoanareo, sy nitomany teo anatrehany nanao hoe: Naninona re no nivoaka tany Ejipta foana izahay?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 fa hatramin’ny iray volana mipaka, dia mandra-pivoakany amin’ny vavoronareo ka hamparikoriko anareo; satria nolavinareo NY TOMPO izay eo afovoanareo ka nitomany teo anatrehany ianareo hoe: Nahoana re no nivoaka tany Ejipta izahay?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

20 fa iray volana maninjitra manda-pahafeno hatreny am-bavoronareo ka hampaharikoriko anareo. Ho sazinareo izany noho ny nandavanareo ny TOMPO Izay eo aminareo sy ny nitomanianareo teo anatrehany hoe: ‹Nahoana re no niala tany Ejipta izahay?› »

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 fa iray volana maninjitra manda-pahafeno hatreny am-bavoronareo ka hampaharikoriko anareo. Ho sazinareo izany noho ny nandavanareo ny TOMPO Izay eo aminareo sy ny nitomanianareo teo anatrehany hoe: ‹Nahoana re no niala tany Ejipta izahay?› »

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 fa hatramin’ny iray volana mipaka, dia mandra-pivoakany amin’ny vavoronareo ka haharikoriko anareo; satria nolavinareo Jehovah, Izay eo aminareo, ka nitomany teo anatrehany hianareo nanao hoe: Nahoana re no nivoaka avy tany Egypta izahay?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 fa hatramin'ny iray volana mipaka, dia mandra-pivoakany amin'ny vavoronareo ka haharikoriko anareo; satria nolavinareo Jehovah, Izay eo aminareo, ka nitomany teo anatrehany ianareo nanao hoe: Nahoana re no nivoaka avy tany Egypta izahay?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 fa hatramin’ny iray volana mipaka, dia mandra-pivoakany amin’ny vavoronareo ka hamparikoriko anareo; satria nolavinareo NY TOMPO izay eo afovoanareo ka nitomany teo anatrehany ianareo hoe: Nahoana re no nivoaka tany Ejipta izahay?

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 11:20
21 Rohy Ifampitohizana  

Koa ankehitriny noho ianao nanamavo Ahy, sy naka ny vadin’i Oria Heteanina, ho vadinao, dia tsy hiala amin’ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra.


Nomeny azy ihany izay nangatahiny, fa nasiany fahiazana kosa izy ireo.


Nony hariva, indreny nisy papelika niakatra nandrakotra ny toby; maraina indray, nisy ando matevina nanodidina ny toby.


Hoy ny zanak’i Israely tamin’izy ireo hoe: «Inay anie izahay mba matin’ny tanan’i Iaveh tany an-tany Ejipta, raha ilay nipetraka teo anelanelan’ny vilany feno hena sy nihinana mofo mandrapahavoky iny izahay; fa izao kosa nentinareo atỳ an’efitra izahay mba hahafaty mosary izao vahoaka be izao.»


Hoy koa i Môizy: «Ho hitanareo izany amin’ny hanomezan’i Iaveh anareo hena hohanina anio hariva, ary mofo hahavoky raha maraina, satria ren’i Iaveh ny nimonomononanareo taminy. Fa ny aminay, izahay moa no inona? Tsy izahay no iharan’ny fimonomononanareo fa i Iaveh ihany.»


Amin’ny voky, na ny toho-tantely aza hoseny tongotra fotsiny, fa amin’ny noana, na ny zava-mangidy aza, maminy avokoa.


Ny zanaka manaja ny rainy, ny mpanompo manaja ny tompony. Koa raha Ray Aho, aiza izay hajako? Ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy i Iavehn’ny tafika aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny Anarako. Hoy ianareo:


Aiza no hangalako hena homena an’izao vahoaka rehetra izao? Fa mitomany manodidina ahy izy, manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay.


Tsy andro iray, na roa, na dimy, na folo, na roapolo no hihinananareo izany,


Hoy i Môizy: «Ny vahoaka manodidina ahy, dia enina hetsy ny lehilahy mandeha tongotra, ka lazainao hoe: Homeko hena izy ireo, sady hihinana izany iray volana maninjitra.


Nahoana no dia nentin’i Iaveh amin’ity tany ity isika, ka ho lavon-tsabatra? Ary ny vady aman-janatsika ho lasan-ko babo. Tsy aleontsika va miverina ho any Ejipta?»


Dia nifampilaza hoe izy: «Andeha hifidy mpitarika isika, ka hiverina any Ejipta.»


Tsy ampy va ny namoahanao anay tany amin’ny tany tondra-dronono sy tantely mba hahafaty anay atỳ an’efitra, no dia manangan-tena ho lehibenay koa ianareo?


Ahoana re no dia nitondranareo ny fiangonan’i Iaveh amin’ity efitra ity, mba hahafatesanay ato, izahay sy ny biby fiompinay?


ka niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy i Môizy nanao hoe: «Nahoana no dia nentinao niakatra avy tany Ejipta izahay ho faty atỳ an’efitra? Ny mofo tsy misy, ny rano tsy misy, ary ny fanahinay efa monainan’itony hanina tsinontsinona itony.»


Mihevera, ry mpamotsifotsy, ka migagà sy levòna ianareo; fa Izaho hanao zavatra anankiray amin’ny andronareo, dia zavatra tsy hinoanareo na dia holazaina aminareo aza.


Koa izay manamavo izany didy izany, dia tsy manamavo olombelona, fa manamavo an’Andriamanitra, Izay nanome ny Fanahiny Masina ho ao aminareo.


Dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka rehetra: «Indro ity vato ity no ho vavolombelona amintsika, fa efa nandre ny teny rehetra nolazain’i Iaveh tamintsika io; ho vavolombelona aminareo koa io, mba tsy handavanareo ny Andriamanitrareo.»


Fa ianareo kosa izao manary ny Andriamanitrareo, izay nanafaka anareo tamin’ny loza amam-pijalianareo rehetra, ary milaza aminy hoe: Manangàna mpanjaka aminay! Koa ankehitriny misehoa ianareo isam-poko sy isam-pianakaviana, eo anatrehan’i Iaveh.»


Noho izany, izao no tenin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Fa efa voalazako fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; nefa ankehitriny, aza ho toy izany intsony, hoy i Iaveh. Fa izay manaja Ahy no hohajaiko, ary izay maniratsira Ahy no hotsiratsiraiko koa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra