Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 38:26 - Baiboly Katolika

26 Bekà iray isan’olona izany na antsasaky ny sikla iray, araka ny sikla masina, isan’olona, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, izay tratry ny fanisana, dia olona dimampolo amby dimanjato sy telo arivo sy enina hetsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Beka iray isan’olona; izany hoe antsasaky ny sekela iray araka ny sekela masina no naloan’izay rehetra voaisa, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia olona dimampolo sy dimanjato sy telo arivo sy enina hetsy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

26 Izany dia mitovy amin’ny dimy grama isan’olona ho an’ny 603 550 lahy izay roapolo taona no ho miakatra tamin’ny fanisana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Izany dia mitovy amin’ny dimy grama isan’olona ho an’ny 603 550 lahy izay roapolo taona no ho miakatra tamin’ny fanisana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 beka iray isan-olona, dia antsasaky ny sekely araka ny sekely masina, no naloan’izay rehetra voalamina, hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra, dia olona dimam-polo amby diman-jato amby telo arivo sy enina hetsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 beka iray isan-olona, dia antsasaky ny sekely araka ny sekely masina, no naloan'izay rehetra voalamina, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia olona dimam-polo amby diman-jato amby telo arivo sy enina hetsy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Beka iray isan’olona; izany hoe antsasaky ny sekela iray araka ny sekela masina no naloan’izay rehetra voaisa, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia olona dimampolo sy dimanjato sy telo arivo sy enina hetsy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 38:26
12 Rohy Ifampitohizana  

«Niala tao Ramsesa ny zanak’i Israely dia nankany Sokôta; sahabo ho enina hetsy izy no olona mandeha an-tongotra afa-tsy ny ankizy.


«Raha avy izay hanisanao ny zanak’i Israely mba hahitana ny isany, dia samy hanome avotra aina ho an’i Iaveh izy tsirairay avy rehefa hatao ny fanisana azy, mba tsy hisy loza manjò azy, amin’ny fanisana azy.


Izao no haloan’izay rehetra anatin’ny voaisa: antsasaky ny sikla masina izay roapolo gerà; antsasaky ny sikla no ho fanatitra halaina ho an’i Iaveh.


Ny volafotsy talenta zato narendrika nanaovana ny faladian’ny fitoerana masina sy ny faladian’ny efitra lamba, faladia zato araka ny talenta, talenta iray isam-paladia.


«Alao isa ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, ka ny anaran’ny lehilahy rehetra isam-batan’olona no hisaina tsirairay avy,


hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia ny lehilahy rehetra amin’i Israely izay mahatàm-piadiana. Ianao sy i Aarôna no hanisa azy araka ny isan-tokony avy;


ny voaisa rehetra dia nisy 603.550.


Ireo no isan’ny zanak’i Israely voasoratra tamin’ny fanisana azy, araka ny fokom-pianakaviany avy. 603.550 no totalin’ny lehilahy voaisa, voatokotoko isan-tobiny araka ny antoko-miaramilany avy.


«Alao isa ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, araka ny fokom-pianakaviany avy, dia ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana amin’i Israely.»


Izao no zanak’i Israely voaisa: 601.730.


«Mandoa Izy» hoy i Piera. Ary raha niditra tao an-trano izy, dia notsenain’i Jesoa nilazany hoe: «Ahoana no hevitrao, ry Simôna? Iza moa no angalan’ny mpanjaka etỳ an-tany hetra sy hajia? ny zanany sa ny olon-kafa?»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra