Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 12:37 - Baiboly Katolika

37 «Niala tao Ramsesa ny zanak’i Israely dia nankany Sokôta; sahabo ho enina hetsy izy no olona mandeha an-tongotra afa-tsy ny ankizy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

37 Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak’Israely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amam-behivavy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

37 Niala avy tao an-tanàna Rahamsesa ny Israelita ka nizotra ho any Sokôta; lehilahy mahery misy andiany eninjato eo ho eo no isany, afa-tsy ny zaza amam-behivavy sy ny antitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

37 Niala avy tao an-tanàna Rahamsesa ny Israelita ka nizotra ho any Sokôta; lehilahy mahery misy andiany eninjato eo ho eo no isany, afa-tsy ny zaza amam-behivavy sy ny antitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

37 Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak’Isiraely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia làlana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

37 Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak'Isiraely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

37 Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak’Israely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amam-behivavy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 12:37
15 Rohy Ifampitohizana  

Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao.


Dia nentiny nivoaka izy ka nilazany hoe: «Atopazo hijery ny lanitra ny masonao ka isao ny kintana raha mahisa azy ianao.» Ary hoy izy taminy: «Ho tahaka izay ny taranakao.»


Dia hoy Andriamanitra: «Izaho no Andriamanitra mahery, dia ny Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra ny hidina any Ejipta, fa hataoko tonga firenena lehibe ianao any.»


Koa nampiorim-ponenana an-drainy sy ny rahalahiny i Josefa ka nanome azy zara tany, eo amin’ny tany Ejipta, dia ny tsara indrindra amin’ny tany, ao amin’ny faritanin’i Ramsesa, araka ny teny nomen’i Faraôna azy.


Ka dia nanendry mpifehy hampanao fanompoana an’i Israely izy, mba hamoritra azy amin’ny asa mafy; izany no nahavitana tanàna, natao fitahirizan-javatra ho an’i Faraôna dia Pitaoma sy Ramsesa.


Ary hoy ny navalin’i Môizy: «Hankany avokoa izahay omban’ny ankizy sy ny anti-dahy, ny zanakay lahy aman-janakay vavy, ny ondry sy ny ombinay, fa fety fankalazana an’i Iaveh izany ho anay.»


Niala tao Sokôta izy ireo dia nitoby tao Etama, an-tsisin’ny efitra.


Bekà iray isan’olona izany na antsasaky ny sikla iray, araka ny sikla masina, isan’olona, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, izay tratry ny fanisana, dia olona dimampolo amby dimanjato sy telo arivo sy enina hetsy.


«Alao isa ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, ka ny anaran’ny lehilahy rehetra isam-batan’olona no hisaina tsirairay avy,


ny voaisa rehetra dia nisy 603.550.


Hoy i Môizy: «Ny vahoaka manodidina ahy, dia enina hetsy ny lehilahy mandeha tongotra, ka lazainao hoe: Homeko hena izy ireo, sady hihinana izany iray volana maninjitra.


Ireo no isan’ny zanak’i Israely voasoratra tamin’ny fanisana azy, araka ny fokom-pianakaviany avy. 603.550 no totalin’ny lehilahy voaisa, voatokotoko isan-tobiny araka ny antoko-miaramilany avy.


Izao no zanak’i Israely voaisa: 601.730.


Niala tao Ramsesa tamin’ny volana voalohany izy, tamin’ny andro faha-15n’ny volana voalohany. Ny ampitson’ny Paka dia tamin’ny tanana voasandratra no nivoahan’ny zanak’i Israely teo imason’ny Ejiptianina rehetra.


Nony niala teo Ramsesa ny zanak’i Israely, dia nitoby tao Sokôta.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra