Dia nandinika aho, ka indro fa tsy Andriamanitra no naniraka azy; fa ny nanononany faminaniana ny amiko dia noho izy voakaraman’i Tobia sy i Sanabalata.
Nehemia 6:11 - Baiboly Katolika Fa hoy ny navaliko: «Lehilahy toa ahy izao ve ka handositra!... Ary ahoana moa no hidiran’ny olona tahaka ahy any amin’ny tempoly ka mbola ho velona ihany? Tsy hiditra aho.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy aho: Moa tokony handositra va ny lehilahy toa ahy? Ary iza ny olona tahaka ahy no mahazo miditra ao amin’ny tempoly ka ho velona? Tsy hiditra ao aho. DIEM PROTESTANTA Fa novaliako hoe: –Lehilahy toa ahy izao tsy tokony handositra. Ary olona tahaka ahy ve no hiditra ao amin’ny Toeramasina ka ho velona? Tsia, tsy hiditra ao aho! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa novaliako hoe: –Lehilahy toa ahy izao tsy tokony handositra. Ary olona tahaka ahy ve no hiditra ao amin’ny Toeramasina ka ho velona? Tsia, tsy hiditra ao aho! Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy izaho: Moa ny lehilahy tahaka ahy tokony handositra va? Ary iza no olona tahaka ahy no mahazo miditra ao amin’ny tempoly ka ho velona? Tsy hiditra ao aho. Malagasy Bible Fa hoy izaho: Moa ny lehilahy tahaka ahy tokony handositra va? Ary iza no olona tahaka ahy no mahazo miditra ao amin'ny tempoly ka ho velona? Tsy hiditra ao aho. La Bible en Malgache Fa hoy aho: Moa tokony handositra va ny lehilahy toa ahy? Ary iza ny olona tahaka ahy no mahazo miditra ao amin’ny tempoly ka ho velona? Tsy hiditra ao aho. |
Dia nandinika aho, ka indro fa tsy Andriamanitra no naniraka azy; fa ny nanononany faminaniana ny amiko dia noho izy voakaraman’i Tobia sy i Sanabalata.
Nandefa iraka aho hilaza aminy hoe: «Asa lehibe no ataoko ka tsy afa-midina aho. Ary nahoana ange ny asa no hiato, fa hilaozako hankany aminareo?»
Ny hampitahotra anay no kendren’izy rehetra, satria hoy izy: «Hihaosa ny tanany dia hilaozany ny asa, ka tsy ho tontosa. Koa ankehitriny herezo ny tanako, ry Andriamanitro.»
Fa tsy mba hangozohozo na oviana na oviana izy, hamela fahatsiarovana mandrakizay ny marina.
tsy nety nihozongozona ny fony, tsy matahotra izy mandra-pahitany ny fahavalony hoe resy.
Fatin-dalitra mahamaimbo sy manimba ny diloilon’ny mpanao zava-manitra; tahaka izany koa ny fahadalana kely mahaleo ny fahendrena amam-boninahitra.
Ka ny voninahitry ny ala amam-boly hazo mamoa hofoanany hatramin’ny fanahy ka hatramin’ny vatana; hanahaka ny marary matin’ny singotr’àty izany.
Ary i Aarôna sy ny zanany lahy dia hotendrenao hanao ny raharahany momba ny fisoronana. Fa raha olon-kafa no manatona ny fitoerana masina, dia hohelohin-ko faty.»
Tsy misy atahorako anefa izany zavatra izany; ary tsy ataoko ho zavatra ny aiko rehefa tanteraka ny diako, ka vitako ny raharaha noraisiko tamin’i Jesoa Tompo, dia ny mitory ny Evanjelin’ny fahasoavan’Andriamanitra.»
Fa namaly izy ka nanao hoe: «Nahoana no dia mitomany toy izao ianareo, ka tonga mahahontsa ny foko? Izaho izao dia vonona tsy ny hafatotra ihany, fa na ny ho faty any Jerosalema aza, mba ho voninahitry ny Anaran’i Jesoa Tompo.»
Tamin’izany andro izany, dia nisy fanenjehana mafy tamin’ny Eglizy tao Jerosalema, ka niely tany Jodea sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apôstôly ihany.
Ary faly aho na dia ny tenako aza no haidina hampombaina ny fanolorana amam-pisoronan’ny finoanareo, ka miara-mifaly aminareo rehetra.
fa ny raharahan’i Kristy no saika nahafaty azy; ary ny fanefana ny fanompoana ahy tsy efanareo no nanaovany ny ainy tsy ho zavatra
Ny finoana no nialany tany Ejipta, tsy aman-tahotra ny fahatezeran’ny mpanjaka akory, fa nijoro toy ny mahita ilay tsy fahita izy.
nanao vy very ny ainy, namono an’ilay Filistinina izy, ka izy no nanaovan’i Iaveh famonjena lehibe ho an’i Israely rehetra. Nahita izany ianao sy nifaly tamin’izany. Ka ahoana no hataonao amin’ny ra tsy mana-tsiny, amin’ny famonoana, tsy misy antony, an’i Davida?»