Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitoriteny 10:1 - Baiboly Katolika

1 Fatin-dalitra mahamaimbo sy manimba ny diloilon’ny mpanao zava-manitra; tahaka izany koa ny fahadalana kely mahaleo ny fahendrena amam-boninahitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ny fatin-dalitra dia mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpampiharo zavamanitra; toy izany ny hadalana kely izay mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

1 Fatin-dalitra no mahamaimbo sy manimba ny ilomanitry ny mpanao zava-manitra; toy izany koa, ny fahadalana kely dia mavesa-danja bebe kokoa noho ny fahendrena.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Fatin-dalitra no mahamaimbo sy manimba ny ilomanitry ny mpanao zava-manitra; toy izany koa, ny fahadalana kely dia mavesa-danja bebe kokoa noho ny fahendrena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 Ny fatin-dalitra mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpangaroharo zava-manitra; ary toy izany, ny fahadalana kely dia mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ny fatin-dalitra mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpangaroharo zava-manitra; ary toy izany, ny fahadalana kely dia mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ny fatin-dalitra dia mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpampiharo zavamanitra; toy izany ny hadalana kely izay mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitoriteny 10:1
11 Rohy Ifampitohizana  

dia nitsena azy i Jehò, mpahita, zanak’i Hananì, ka hoy izy tamin’i Jôsafata mpanjaka: «Tokony hampiana va ny ratsy fanahy? Ary ny mankahala an’i Iaveh va no tianao? Noho izany dia ao aminao ny fahatezerana avy amin’i Iaveh.


Moa tsy izao indrindra va no nanotan’i Salômôna mpanjakan’i Israely? Tsy nisy mpanjaka toa azy, teo amin’ny firenena maro; tian’ny Andriamaniny izy; nataon’Andriamanitra mpanjaka amin’i Israely rehetra izy. Kanefa izy koa dia notarihin’ireo vehivavy hafa firenena ho amin’ny fahotana.


Ary ny nanakaramany azy dia mba hatahorako ka hanarahako ny toroheviny sy hanotako, dia misy hoentiny haharatsy laza ahy sy hahafa-baraka ahy.


dia havesatra noho ny fasiky ny ranomasina izy: ka noho izany, dia tafahoatra ho rediredy ny teniko.


ka amboary izany ho diloilo hanaovana ny fanosorana masina; ho zava-manitra voaharoharo araka ny asan’ny mpahay zava-manitra; dia izany no diloilo hanaovana ny fanosorana masina.


Aleo fahendrena, toy izay fitaovana enti-miady; nefa mpanota iray monja dia mandrava soa betsaka.


Raha misy olona mitondra hena voahasina amin’ny sisin-dambany, ka misy mofo na zavatra nandrahoina, na divay, na diloilo, na zava-pihinana hafa, voakasiny amin’izany sisin-dambany izany, moa ho voahasina va ireo zavatra ireo? Dia namaly ireo mpisorona nanao hoe: Tsia. -


Ary hoy i Akjea: Raha olona voaloto amim-paty kosa no mikasika an’izany, ho voaloto va izany? Namaly ny mpisorona nanao hoe: Ho voaloto izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra