Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitoriteny 10:2 - Baiboly Katolika

2 Ny fon’ny hendry eo ankavanany; ny fon’ny adala kosa eo ankaviany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ny fon’ny hendry dia mitondra azy ho amin’izay tsara, fa ny fon’ny adala kosa dia mitondra azy any amin’izay tsy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 Ny fisainan’ny hendry dia miasa tsara, fa ny fisainan’ny adala kosa no diso fandray hevitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Ny fisainan’ny hendry dia miasa tsara, fa ny fisainan’ny adala kosa no diso fandray hevitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ny fon’ny hendry dia eo ankavanany; fa ny fon’ny adala kosa dia eo ankaviany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ny fon'ny hendry dia eo ankavanany; fa ny fon'ny adala kosa dia eo ankaviany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Ny fon’ny hendry dia mitondra azy ho amin’izay tsara, fa ny fon’ny adala kosa dia mitondra azy any amin’izay tsy izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitoriteny 10:2
11 Rohy Ifampitohizana  

Fahendren’ny olo-malina, ny nahafantatra ny lalany; fahadalan’ny adala ny fitaka.


Ny molotry ny hendry mampiely ny fahaizana; fa tsy mba ny fon’ny adala.


Hatao inona ny vola eo an-tanan’ny adala? Hamidy ny fahendrena va? - Tsy azony an-tsaina izany.


Raha dombo ny antsy ka tsy asaina ny lelany, dia tsy maintsy manao an’aina ny mpikapa; fa ny fahendrena no metimety kokoa hahombiazana.


Mampitombo ny teny ho maro, ny adala!... Tsy fantatry ny olona izay ho avy; ary iza no hilaza aminy izay ho avy any aoriany?


Izay rehetra azon’ny tananao atao, dia ataovy amin-kerim-po; fa tsy misy asa na fahalalana na fahaizana, na fahendrena any amin’ny Seoly izay halehanao.


ny ondry moa hataony eo ankavanany; ary ny osy kosa eo ankaviany.


Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.


Koa raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra