Ary nomeny teny ny mpanao fanafody manompo azy, hanosotra zava-manitra an-drainy, ka dia nanosotra an’i Israely ny mpanao fanafody.
Nehemia 3:8 - Baiboly Katolika i Oziela zanak’i Araiasa lohan’ny mpanefy volamena, nanamboatra teo anilany; ary i Anania isan’ny fikambanan’ny mpanao zava-manitra no nanamboatra teo anilany; navelany i Jerosalema hatreo amin’ny manda malalaka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Oziela, zanak’i Haraia, isan’ny mpanefy volamena. Teo anilan’io dia nanamboatra koa i Hanania, izay isan’ny mpanao haro manitra. Nanamafy an’i Jerosalema hatrany amin’ny manda lehibe izy. DIEM PROTESTANTA Teo an-kilan’ireo no namboatra koa i Hoziela, zanakalahin’i Harahaià sady isan’ny mpanefy volamena, ary nanarakaraka azy i Hananià isan’ny mpanao zava-manitra: tafapaka amin’ny manda malalaka ny asa nanamafisan’izy roa lahy an’i Jerosalema. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Teo an-kilan’ireo no namboatra koa i Hoziela, zanakalahin’i Harahaià sady isan’ny mpanefy volamena, ary nanarakaraka azy i Hananià isan’ny mpanao zava-manitra: tafapaka amin’ny manda malalaka ny asa nanamafisan’izy roa lahy an’i Jerosalema. Baiboly Protestanta Malagasy Manarakaraka ireo dia namboatra koa Oziela, zanak’i Haraia, isan’ny mpanefy volamena. Manarakaraka io dia namboatra koa Hanania, isan’ny mpangaroharo zava-manitra; ary nanamafy an’i Jerosalema izy hatramin’ny mànda lehibe. Malagasy Bible Manarakaraka ireo dia namboatra koa Oziela, zanak'i Haraia, isan'ny mpanefy volamena. Manarakaraka io dia namboatra koa Hanania, isan'ny mpangaroharo zava-manitra; ary nanamafy an'i Jerosalema izy hatramin'ny mandà lehibe. La Bible en Malgache Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Oziela, zanak’i Haraia, isan’ny mpanefy volamena. Teo anilan’io dia nanamboatra koa i Hanania, izay isan’ny mpanao haro manitra. Nanamafy an’i Jerosalema hatrany amin’ny manda lehibe izy. |
Ary nomeny teny ny mpanao fanafody manompo azy, hanosotra zava-manitra an-drainy, ka dia nanosotra an’i Israely ny mpanao fanafody.
dia avy teo ambony vavahadin’i Efraima, teo amin’ny vavahady Goga, teo am-bavahadin’ny Hazandrano, teo amin’ny tilikambon’i Hananeela, sy ny tilikambon’i Meà, hatreo amin’ny vavahadin’ny Ondry; ary teo amin’ny vavahadin’ny Tranomaizina no nijanona.
ka amboary izany ho diloilo hanaovana ny fanosorana masina; ho zava-manitra voaharoharo araka ny asan’ny mpahay zava-manitra; dia izany no diloilo hanaovana ny fanosorana masina.
Fatin-dalitra mahamaimbo sy manimba ny diloilon’ny mpanao zava-manitra; tahaka izany koa ny fahadalana kely mahaleo ny fahendrena amam-boninahitra.
Izy ireo dia maka volamena ao an-kitapony, mandanja volafotsy amin’ny mizàna, ary manakarama mpanao anidina, hanao andriamanitra amin’izany, dia miankohoka sy mivavaka.