Ry Andriamanitra ô, aza dia mijanom-potsiny; aza mangina na mitsahatra, ry Andriamanitra!
Mpitsara 8:28 - Baiboly Katolika Dia voaetry teo anatrehan’ny zanak’i Israely i Madiàna, fa tsy nahatraka ny lohany intsony, ka nandry efapolo taona ny tany tamin’ny andron’i Jedeôna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Voaetry teo anoloan’ny Zanak’Israely ny Midianita ka tsy nahatraka ny lohany intsony. Nandry nandritra ny efapolo taona ny tany tamin’ny andron’i Gideona. DIEM PROTESTANTA Resin’ny Israelita hatreo ny Midianita ka tsy nahatraka tamin’ny fahareseny intsony; koa nandry fahalemana ny tany nandritra ny efapolo taona nahaveloman’i Gidehôna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Resin’ny Israelita hatreo ny Midianita ka tsy nahatraka tamin’ny fahareseny intsony; koa nandry fahalemana ny tany nandritra ny efapolo taona nahaveloman’i Gidehôna. Baiboly Protestanta Malagasy Dia resy teo anoloan’ny Zanak’Isiraely ny Midiana ka tsy nahatraka ny lohany intsony. Dia nandry efa-polo taona ny tany tamin’ny andron’i Gideona. Malagasy Bible Dia resy teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ny Midiana ka tsy nahatraka ny lohany intsony. Dia nandry efa-polo taona ny tany tamin'ny andron'i Gideona. La Bible en Malgache Voaetry teo anoloan’ny Zanak’Israely ny Midianita ka tsy nahatraka ny lohany intsony. Nandry nandritra ny efapolo taona ny tany tamin’ny andron’i Gideona. |
Ry Andriamanitra ô, aza dia mijanom-potsiny; aza mangina na mitsahatra, ry Andriamanitra!
Hanainga kotopia hamelezana azy i Iavehn’ny tafika, toy ny namelezany an’i Madiàna, teo amin’ny vatolampin’i Oreba, ary toy ny tehiny teny ambony ranomasina; ary hoaingany izany toy ny taloha tany Ejipta.
Ny kapan’ny mpiady rehetra tamin’ny fikatrohana mbamin’ny kapaoty nihosin-dra rehetra, dia atao anatin’ny afo: ka levon’ny afo.
Dia voaetry eo ambanin’ny tanan’i Israely i Moaba tamin’izany andro izany ka nandry valopolo taona ny tany.
Ny fahavalonao rehetra anie ho levona toy izany, Iaveh ô, ary izay tia Anao kosa, hanahaka ny masoandro raha ilay miposaka amin’ny heriny izy!»
Nanaovan’i Jedeôna efôda izany volamena izany, dia napetrany ao an-tanànany ao Efrà, ka nankany avokoa i Israely rehetra nitolo-tena teo amin’izany Efôda izany, ary tonga fandrika ho an’i Jedeôna sy ny ankohonany izany.
Nony voaetry toy izany ny Filistinina, dia tsy niverina teo amin’ny faritanin’i Israely intsony; fa namely ny Filistinina ny tanan’i Iaveh, tamin’ny andro rehetra niainan’i Samoela.