Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 10:26 - Baiboly Katolika

26 Hanainga kotopia hamelezana azy i Iavehn’ny tafika, toy ny namelezany an’i Madiàna, teo amin’ny vatolampin’i Oreba, ary toy ny tehiny teny ambony ranomasina; ary hoaingany izany toy ny taloha tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Eny, hamely azy amin’ny karavasy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, tahaka ny namelezana ny Midianita teo amin’ny vatolampy Oreba; ary haingainy eny ambonin’ny ranomasina ny tsorakazony, tahaka ny nataony tamin’ny Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

26 Harangarangan’ny TOMPOn’izao rehetra izao manko ny karavasy hikapohany an’i Asiria tahaka izay nataony tamin’ny famelezana ny Midianita teo amin’ny harambaton’i Hôreba; ary hatsotrany eny ambony ranomasina ny tehiny, toy izay nataony tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Harangarangan’ny TOMPOn’izao rehetra izao manko ny karavasy hikapohany an’i Asiria tahaka izay nataony tamin’ny famelezana ny Midianita teo amin’ny harambaton’i Hôreba; ary hatsotrany eny ambony ranomasina ny tehiny, toy izay nataony tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Eny, Jehovah, Tompon’ny maro, hamely azy amin’ny kotopia, Tahaka ny namelezana ny Midiana teo am-batolampy Oreba; Ary ny tsorakazony haingainy eny ambonin’ny ranomasina Ka hatsangany tahaka ny fanao tany Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Eny, Jehovah, Tompon'ny maro, hamely azy amin'ny kotopia, tahaka ny namelezana ny Midiana teo am-batolampy Oreba; ary ny tsorakazony haingainy eny ambonin'ny ranomasina ka hatsangany tahaka ny fanao tany Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Eny, hamely azy amin’ny karavasy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, tahaka ny namelezana ny Midianita teo amin’ny vatolampy Oreba; ary haingainy eny ambonin’ny ranomasina ny tsorakazony, tahaka ny nataony tamin’ny Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 10:26
21 Rohy Ifampitohizana  

Ny alin’izay ihany, dia nivoaka ilay Anjelin’Andriamanitra namono lehilahy 185.000 tao amin’ny tobin’ny Asirianina, ka nony nifoha ny olona ny ampitso maraina, indreo fa faty avokoa ireo.


Miarena ka mitsangàna hampahazo ahy ny rariny sy hiaro ahy amin’ny adiko, ry Andriamanitro sy Tompoko ô.


Ripaka tao Andôra izy, ka tonga zeziky ny tany.


Ianao manainga ny tehinao sy maninjira ny tananao eo ambonin’ny ranomasina dia hampisaraka roa azy; ary ny zanak’i Israely kosa hamaky eo afovoany mandia tany maina,


Izany no hilazan’ny Tompo, Iavehn’ny tafika hoe: Aza matahotra na inona na inona avy amin’i Asora, ry vahoakako monina any Siôna, raha mamely anao amin’ny tsora-kazo izy, ka manainga ny tehina aminao, toa an’i Ejipta taloha.


Dia hisy lalana halehan’ny vahoakany sisa, izay sisa mbola ho hita any amin’ny tany Asirianina, toy ny nisy halehan’i Israely, tamin’ny andro niakarany avy any amin’ny tany Ejipta.


I Iaveh hampiriadriatra ny feony miezinezina, ary hampiseho ny fiantèfan’ny sandriny, amin’ny firehitry ny hatezerany aman-delafo mandevona; amin’ny tafio-drivotra aman-dranonoram-baratra sy vato havandra.


Dia hangovitra i Asora amin’ny feon’i Iaveh; hikapoka amin’ny tsora-kazony Izy,


ka isaky ny miantefa ny tsora-kazo tsy diso hampidinin’i Iaveh aminy, dia hatao mitatatata ny ampongatapaka aman-dokanga, ary hiady aminy, sady hamely mafy azy Izy.


Satria ny jioga nanavesatra azy, ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny, ny tehin’ny mpitoroka azy, dia samy notapahinao, toy ny tamin’ny andron’i Madiàna.


Ny kapan’ny mpiady rehetra tamin’ny fikatrohana mbamin’ny kapaoty nihosin-dra rehetra, dia atao anatin’ny afo: ka levon’ny afo.


Nisarongatra ny firenena, fa tonga ny fahatezeranao, sy ny fotoana hitsarana ny maty, mba hanomezana valisoa ny mpanomponao, dia ny mpaminany, sy ny olo-masina mbamin’izay natahotra ny Anaranao, na kely na lehibe, ary mba hamerezana izay nanimba ny tany.»


nisy sabatra marani-dany roa nivoaka avy ao am-bavany, mba hamelezany ny firenena, ary hifehy azy amin’ny tsora-by izy, sady ny tenany ihany no hanitsaka ny famiazana ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra tsitoha;


Dia nosamborin’izy ireo ny andriana roa lahy tamin’i Madiàna, Oreba sy Zeba, ary novonoiny i Oreba tao amin’ny vaton’i Oreba, ary i Zeba novonoiny tao amin’ny famiazam-boalobok’i Zeba. Nanenjika an’i Madiàna izy, sy nitondra ny lohan’i Oreba sy i Zeba tany amin’i Jedeôna any an-dafin’i Jordany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra