Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 5:17 - Baiboly Katolika

I Galaada tsy nandao ny fonenany tany an-dafin’i Jordany; ary i Dana, nahoana no nitoetra tao an-tsambony? I Asera nijanona tsy nihetsika akory teo amoron-dranomasina; teo am-pitodian-tsambony no nijanonany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

I Gileada dia nijanona tany andafin’i Jordana. Ary nahoana i Dana no nitoetra teny amin’ny sambo? I Asera dia nipetraka tany amoron-dranomasina, teny amin’ny fitodian-tsambo no nonenany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tsy nihetsika koa ny terak’i Gilehada teny an-dafy atsinanan’i Jôrdàna. Ary nahoana ny fokon’i Dana no nipetra-potsiny teo anilan’ny sambony? Ny fokon’i Asera koa nonina teo amoron-dranomasina ka nijanona teo amin’ny fitodian-tsambony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tsy nihetsika koa ny terak’i Gilehada teny an-dafy atsinanan’i Jôrdàna. Ary nahoana ny fokon’i Dana no nipetra-potsiny teo anilan’ny sambony? Ny fokon’i Asera koa nonina teo amoron-dranomasina ka nijanona teo amin’ny fitodian-tsambony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Gileada nitoetra tany an-dafin’i Jordana; Ary nahoana Dana no nitoetra tany an-tsambo? Asera nitoetra tany amoron-dranomasina, Ary teny amin’ny fitodiany no nipetrahany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Gileada nitoetra tany an-dafin'i Jordana; Ary nahoana Dana no nitoetra tany an-tsambo? Asera nitoetra tany amoron-dranomasina, Ary teny amin'ny fitodiany no nipetrahany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

I Gileada dia nijanona tany andafin’i Jordana. Ary nahoana i Dana no nitoetra teny amin’ny sambo? I Asera dia nipetraka tany amoron-dranomasina, teny amin’ny fitodian-tsambo no nonenany.

Jereo ny toko



Mpitsara 5:17
6 Rohy Ifampitohizana  

Zanak’i Balà, ankizivavin-dRasela: Dana sy Neftalì.


Hivoaka eo amin’ny banga samy amin’izay hitsiny avy ianareo, dia horoahina ho any Armôna, - teny marin’i Iaveh. -


ka izao no faritaniny: Jasera, ny tanànan’i Galaada rehetra, ny antsasaky ny tanin’ny taranak’i Amôna, hatrany Arôera tandrifin’i Rabà,


Ny antsasak’i Galaada sy Astarôta ary Adraia, tanàna amin’ny fanjakan’i Oga, any Basàna, dia nomena ny taranak’i Makira zanak’i Manase, dia ny antsasaky ny taranak’i Makira, araka ny fianakaviany.


Dia nandao ny zanak’i Israely tao Silô amin’ny tany Kanaana ny fokon-dRobena sy ny fokon’i Gada, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nody nankany amin’ny tany Galaada izay efa noraisiny ho zara taniny araka ny nandidian’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy.