Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 18:2 - Baiboly Katolika

Nalain’ny zanak’i Dana tao amin’izy rehetra ireo ny dimy lahy, lehilahy mahery iray fianakaviana aminy, ka nalefany avy any Saraà sy Estaola hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany. Ka hoy izy tamin’izy ireo: «Mandehana zahao ny toetry ny tany». Dia tonga tany amin’ny tendrombohitra Efraima izy sy tao amin’ny tranon’i Mikasy, ka nandry tao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary naniraka dimy lahy izay nofantenany avy tamin’ny fianakaviany ny Danita, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hanadihady ny momba azy. Hoy izy ireo taminy: Mandehana, zahao ny toetry ny tany. Dia tonga tany amin’ny tany be havoana any Efraima tao an-tranon’i Mika izy ireo ka nandry tao mandritra ny alina.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa nifidy lehilahy dimy mahery fo indrindra tao amin’ny fokony izy ary naniraka azy mba hijery tsara ny tany manomboka hatreo Tsôrehà ka hatrany Estaôla. Tonga hatrany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma izy ireo ary tafapaka teo akaikin’ny tranon’i Mikà ary nandry teo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa nifidy lehilahy dimy mahery fo indrindra tao amin’ny fokony izy ary naniraka azy mba hijery tsara ny tany manomboka hatreo Tsôrehà ka hatrany Estaôla. Tonga hatrany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma izy ireo ary tafapaka teo akaikin’ny tranon’i Mikà ary nandry teo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny taranak’i Dana naniraka dimy lahy nofantenany avy amin’ny fokony rehetra, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany; ary hoy izy taminy: Mandehana izahao ny toetry ny tany. Ary tonga tany amin’ny tany havoan’i Efraima tao an-tranon’i Mika izy, dia nandry tao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny taranak'i Dana naniraka dimy lahy nofantenany avy amin'ny fokony rehetra, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany; ary hoy izy taminy: Mandehana izahao ny toetry ny tany. Ary tonga tany amin'ny tany havoan'i Efraima tao an-tranon'i Mika izy, dia nandry tao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary naniraka dimy lahy izay nofantenany avy tamin’ny fianakaviany ny Danita, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hanadihady ny momba azy. Hoy izy ireo taminy: Mandehana, zahao ny toetry ny tany. Dia tonga tany amin’ny tany be havoana any Efraima tao an-tranon’i Mika izy ireo ka nandry tao mandritra ny alina.

Jereo ny toko



Mpitsara 18:2
20 Rohy Ifampitohizana  

Tsaroan’i Josefa tamin’izay ny nanofisany azy ireo, ka hoy izy taminy: «Mpisafo ianareo; hizaha ny toerana tsy mimanda amin’ny tany no nahatongavanareo.»


Ny filan-kevitra mampiorina ny hevitra kasaina; ka fahiratan-tsaina no itariho ny ady.


Nirahin’i Môizy hisafo ny tany Kanaana izy ireo, nataony hoe: «Miakara ianareo, mihazoa ny Negeba, dia miakara amin’ny tendrombohitra.


Sa iza no mpanjaka handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa, ka tsy hipetraka aloha hihevitra na ho azony atao amin’ny miaramila iray alina ny hikatroka amin’ny fahavalo roa alina avy hamely azy na tsia?


Ny tao amin’ny Seeflà dia: i Estaôla, i Sarea, i Asenà,


Izao no tao anatin’ny faritry ny lovany: i Saraà, i Estaôla, i Hira-Semesy,


Nandefa mpisafo tany roalahy mangingina avy tany Setima i Jôsoe zanak’i Nona, nataony hoe: «Mandehana, zahao ny tany, sy i Jerikô.» Dia niainga izy roa lahy, ka tonga tao amin’ny tranon’ity vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ary nandry tao.


Nisy kosa nampandre izany tamin’ny mpanjakan’i Jerikô, nanao hoe: «Injao misy olona avy amin’ny zanak’i Israely, tonga alina atỳ hisafo ny tany.»


Nisy lehilahy anankiray, atao hoe Manôe, fianakavian’i Danita, avy amin’ny Saraà; momba ny vadiny, ka tsy niteraka.


Dia nanomboka nitaona azy ho any Makaneha-Dana anelanelan’i Saraà sy i Estaola ny fanahin’i Iaveh.


Dia nidina ny rahalahiny mbamin’ny mpianakavin-drainy rehetra ka naka azy. Nony tafakatra izy ireo dia nandevina azy tao anelanelan’i Saraà sy i Estaola, amin’ny fasan’i Manôe rainy. Roapolo taona no nitsarany an’i Israely.


Nisy lehilahy anankiray atao hoe Mikasy avy amin’ny tendrombohitr’i Efraima,


Dia nisy enin-jato lahy, samy vonom-piadiana fanao an’ady avokoa, no niainga avy any Saraà sy Estaola, avy amin’ny fokon’i Dana.


Avy teo izy dia nandroso nankany amin’ny tendrombohitr’i Efraima ka tonga tao an-tranon’i Mikasy.


Nony mby teo akaikin’ny tranon’i Mikasy izy ireo, dia fantany ny feon’ilay tovolahy Levita dia nanatona izy ka nanao tamin’io hoe: «Iza no nitondra anao nankatỳ? Maninona atỳ ianao? Manana inona atỳ ianao»


Niverina tany amin’ny rahalahiny tany Saraà sy Estaola izy ireo, dia hoy ireto rahalahiny taminy: «Ahoana, hoy ianareo?»


Tamin’izany andro izany raha mbola tsy nisy mpanjaka tao amin’i Israely, ny Levita anankiray nitoetoetra tany an-tsisin-tendrombohitr’i Efraima dia naka ho vady vehivavy anankiray avy any Betlehema any Jodà.


Ary hoy ny navaliny azy: «Avy any Betlehema any Jodà izahay, ka ho any amin’ny sisin’ny tendrombohitr’i Efraima izay tany niaviako. Tany Betlehema any Jodà aho, ary ho any an-tranon’i Iaveh, nefa tsy mba misy olona mampiantrano ahy akory.