Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 18:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Koa nifidy lehilahy dimy mahery fo indrindra tao amin’ny fokony izy ary naniraka azy mba hijery tsara ny tany manomboka hatreo Tsôrehà ka hatrany Estaôla. Tonga hatrany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma izy ireo ary tafapaka teo akaikin’ny tranon’i Mikà ary nandry teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ary naniraka dimy lahy izay nofantenany avy tamin’ny fianakaviany ny Danita, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hanadihady ny momba azy. Hoy izy ireo taminy: Mandehana, zahao ny toetry ny tany. Dia tonga tany amin’ny tany be havoana any Efraima tao an-tranon’i Mika izy ireo ka nandry tao mandritra ny alina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Koa nifidy lehilahy dimy mahery fo indrindra tao amin’ny fokony izy ary naniraka azy mba hijery tsara ny tany manomboka hatreo Tsôrehà ka hatrany Estaôla. Tonga hatrany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma izy ireo ary tafapaka teo akaikin’ny tranon’i Mikà ary nandry teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Nalain’ny zanak’i Dana tao amin’izy rehetra ireo ny dimy lahy, lehilahy mahery iray fianakaviana aminy, ka nalefany avy any Saraà sy Estaola hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany. Ka hoy izy tamin’izy ireo: «Mandehana zahao ny toetry ny tany». Dia tonga tany amin’ny tendrombohitra Efraima izy sy tao amin’ny tranon’i Mikasy, ka nandry tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary ny taranak’i Dana naniraka dimy lahy nofantenany avy amin’ny fokony rehetra, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany; ary hoy izy taminy: Mandehana izahao ny toetry ny tany. Ary tonga tany amin’ny tany havoan’i Efraima tao an-tranon’i Mika izy, dia nandry tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary ny taranak'i Dana naniraka dimy lahy nofantenany avy amin'ny fokony rehetra, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany; ary hoy izy taminy: Mandehana izahao ny toetry ny tany. Ary tonga tany amin'ny tany havoan'i Efraima tao an-tranon'i Mika izy, dia nandry tao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Ary naniraka dimy lahy izay nofantenany avy tamin’ny fianakaviany ny Danita, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hanadihady ny momba azy. Hoy izy ireo taminy: Mandehana, zahao ny toetry ny tany. Dia tonga tany amin’ny tany be havoana any Efraima tao an-tranon’i Mika izy ireo ka nandry tao mandritra ny alina.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 18:2
20 Rohy Ifampitohizana  

Tsaroan’i Jôsefa ny nofiny momba azy ireo, ka hoy indray izy hoe: –Mpitsikilo ianareo! Hizaha izay toerana mora hanafihana eto amin’ny tany no nahatongavanareo.


Ny hevitra tsara no mahatanteraka ny fikasana; ary tetika voarindra no tokony hoenti-miady.


Nalefan’i Mosesy hisafo ny tany Kanahàna izy ireo ka nataony hoe: –Miakara avy any atsimo, dia mianiha ny tendrombohitra


Ary raha misy mpanjaka handeha hanafika mpanjaka hafa, dia hipetraka izy aloha handinika tsara, hahitany raha azony atao amin’ny miaramila iray alina ny hifanandrina amin’ny fahavalony manana miaramila roa alina.


Ireto avy kosa ireo tanàna teo amin’ny lemak’i Sefelà: i Estaôla, i Tsôrehà, i Adenà,


Ny velaran-taniny dia mahafaoka an’ireto tanàna ireto: i Tsôrehà, i Estaôla, i Hira-Semesy,


Ary i Josoa, zanakalahin’i Nona, dia nandefa mpitsikilo roa lahy mangingina avy tao an-tobin’i Sitima ka niteny taminy hoe: –Ndeha misafo ny tany ianareo, indrindra fa ny tanànan’i Jerikao. Nony tonga tao an-tanàna izy roa lahy, dia niditra tao an-tranon’ny vehivavy mpivaro-tena iray atao hoe Rahaba ka nandry tao.


Ary ren’ny mpanjakan’i Jerikao fa misy Israelita tonga io alina io mba hitsikilo ny tany.


Tao Tsôrehà dia nisy lehilahy nantsoina hoe Manôà, avy tamin’ny fokon’i Dana. Momba ny vadiny ka tsy niteraka.


Fony i Samsôna tao an-tobin’i Dana, teo anelanelan’i Tsôrehà sy i Estaôla, no nanomboka nanetsika azy ny Fanahin’ny TOMPO.


Ary nidina ireo rahalahin’i Samsôna sy ny fianakavian-drainy mba haka ny fatiny. Dia nentiny niakatra izy ka naleviny tao am-pasan’i Manôà rainy, teo anelanelan’i Tsôrehà sy i Estaôla. I Samsôna no nitondra ny Israelita nandritra ny roapolo taona.


Tao amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma dia nisy lehilahy natao hoe Mikà.


Dia niala tao Tsorehà sy Estaôla ny vatan-dehilahy eninjato avy tamin’ny fokon’i Dana sady nirongo fiadiana.


Avy tao ireo no niampita ho any amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, ka tonga teo akaikin’ny tranon’i Mikà.


Fony izy dimy lahy teo akaikin’ny tranon’i Mikà, dia nandre ilay zatovo levita ka nahafantatra ny fomba fiteniny ary nanatona azy ka nanontany hoe: –Iza no nitondra anao amin’itony toerana itony ary inona no ataonao atỳ? Inona no mitazona anao atỳ?


Dia niverina nankany Tsôrehà sy Estaôla ireo iraka ary nofotorin’ireo mpiray foko aminy momba ny zavatra hitany.


Tamin’izany andro mbola tsy nisian’ny mpanjaka tany Israely izany, dia nisy levita iray nivahiny tany amin’ny toerana mihataka, an-tsisin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Naka vadikely iray tao Betlehema any Joda izy.


Dia novalian’ilay levita hoe: –Avy tany Betlehema any Joda izahay ary hamonjy toerana iray mihataka an-tsisin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, fa any no fiaviako; ka hody any amiko aho, rehefa avy nivahiny tany Betlehema. Ary tsy misy olona mampiantrano ahy;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra