Mika 2:7 - Baiboly Katolika Ianao, ilay antsoina hoe taranak’i Jakôba, moa tsy manana fandeferana va i Iaveh? Izany va no asa fanaony? «Moa ny teniko tsy mba tenim-pitiavana ho an’izay mandeha amin’ny hitsiny?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 E! Izany va no teninao, ry taranak’i Jakoba? Malaky tezitra va NY TOMPO? Izany va no fanaony? Tsy mahasoa izay mandeha mahitsy va ny teniko? DIEM PROTESTANTA Fa voaozona ve ny taranak’i Jakôba? Malaky tezitra ve ny TOMPO? Izany ve no fomba fanaony?» Ny teniko dia feno halemem-panahy amin’ireo miaina araka ny hitsiny; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa voaozona ve ny taranak’i Jakôba? Malaky tezitra ve ny TOMPO? Izany ve no fomba fanaony?» Ny teniko dia feno halemem-panahy amin’ireo miaina araka ny hitsiny; Baiboly Protestanta Malagasy He! izany teny izany! ry taranak’ i Jakoba, Malaky tezitra va ny Fanahin’i Jehovah? Ireto va no asa fanaony? Tsy mahasoa izay mandeha mahitsy va ny teniko? Malagasy Bible He! izany teny izany! Ry taranak'i Jakoba, Malaky tezitra va ny Fanahin'i Jehovah? Ireto va no asa fanaony? Tsy mahasoa izay mandeha mahitsy va ny teniko? La Bible en Malgache E! Izany va no teninao, ry taranak’i Jakoba? Malaky tezitra va NY TOMPO? Izany va no fanaony? Tsy mahasoa izay mandeha mahitsy va ny teniko? |
Izay mandeha amin’ny tsy fananan-tsiny, izay manaraka ny rariny, ka milaza ny marina ao am-pony.
Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy.
Ny lalan’i Iaveh, manda fiarovana ho an’ny marina, fa ny fandringanana kosa ho an’izay manao ratsy.
Izay mandeha tsy manan-tsiny no mandeha matoky; fa izay maniasia lalana, ho fantatra eny ihany.
Izay matahotra an’i Iaveh, mizotra araka ny fahitsiam-po; izay maniratsira azy kosa mivaona fandeha.
Mitahiry ny fahasambarana ho an’ny olona mahitsy fo izy, ary ampinga ho an’izay mandeha amin’ny fahalavorariana.
Hahita famonjena ny mandeha amin’ny fahamarinana tanteraka, fa ho lavo tsy afa-miarina intsony, ny manaraka lala-miolikolika.
Tonga Aho: nahoana no tsy nisy olona? Niantso Aho: nahoana no tsy nisy namaly? Moa fohy tanana va Aho, ka tsy afa-namonjy? Sa tsy ampy hery hoenti-manafaka? Vao rahonako fotsiny dia maina ny ranomasina, zary efitra ny ony, maimbo ny hazandranony, fa ritra ny rano, ka matin’ny hetaheta ireny.
Manezaha antso mafy, ka aza tanana ny feonao; ataovy manehoeho hoatra ny trômpetra ny feonao, ka ambarao amin’ny vahoakako ny fahotany, ary amin’ny taranak’i Jakôba ny fahadisoany.
Vao tonga teo anatrehako ny teninao, dia nohaniko; zary hafaliako amam-piravoravoan’ny foko, satria nantsoina tamiko ny Anaranao, ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika ô!
Mihainoa ny tenin’i Iaveh, ry taranak’i Jakôba, mbaminareo rehetra, fianakavian’ny taranak’i Israely.» Izao no lazain’i Iaveh:
Efraima... Inona no mbola mba hataony any amin’ny sampy? Izaho no efa mamaly ny fangatahany sy mitsinjo azy; tahaka ny sipresa maitso Aho; Izaho no iavian’ny voanao.
Koa henoinareo izao, ry loholon’ny taranak’i Jakôba, sy mpanapaka ny taranak’i Israely, izay mankahala ny rariny, sy mamadika ny hitsiny,
Dia namaly niteny ilay Anjely ka nanao tamiko hoe: «Izao no tenin’i Iaveh tamin’i Zôrôbabela, izany hoe: Tsy amin-tafika na amin-kery, fa amin’ny Fanahiko, hoy i Iavehn’ny tafika.
Dia hoy ny navalin’i Iaveh an’i Môizy: «Fohy loatra va ny tanan’i Iaveh? Ho hitanao izao na ho tanteraka aminao na tsia izay voalazako.»
Namaly ireo ka nanao taminy hoe: «I Abrahama no rainay.» Fa i hoy i Jesoa taminy: «Raha zanak’i Abrahama ianareo, dia hanao ny asan’i Abrahama.
Koa zavatra tsara izany nanjary fahafatesana ho ahy? Sanatria izany! fa ny fahotana no nahafaty ahy tamin’ny zavatra tsara, mba hiharihary ny faharatsiany ka ho tonga mpanota erỳ ny fahotana noho ny didy.
ary manana ny endriky ny fitiavam-bavaka, nefa tsy manana ny heriny: ireny koa halaviro.