Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 3:9 - Baiboly Katolika

9 Koa henoinareo izao, ry loholon’ny taranak’i Jakôba, sy mpanapaka ny taranak’i Israely, izay mankahala ny rariny, sy mamadika ny hitsiny,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Mba mihainoa izao, ianareo loholon’ny taranak’i Jakoba sy mpitondra eo amin’ny taranak’Israely, dia ianareo izay manao ny rariny ho fahavetavetana sy mamadika ny hitsiny rehetra,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

9 Ry mpitondra ny taranak’i Jakôba, eny, ry mpitsara ny vahoakan’i Israely, henoinareo re izao: Halanareo fatratra ny rariny, ary avadikareo ny hitsiny rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Ry mpitondra ny taranak’i Jakôba, eny, ry mpitsara ny vahoakan’i Israely, henoinareo re izao: Halanareo fatratra ny rariny, ary avadikareo ny hitsiny rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Masìna hianareo, mihainoa izao, Ry loholon’ny taranak’i Jakoba, Sy ry mpanapaka ny taranak’Isiraely, Dia hianareo izay manao ny rariny ho fahavetavetana Sy mamadika ny hitsiny rehetra,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Masìna ianareo, mihainoa izao, Ry loholon'ny taranak'i Jakoba, Sy ry mpanapaka ny taranak'Isiraely, Dia ianareo izay manao ny rariny ho fahavetavetana Sy mamadika ny hitsiny rehetra,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Mba mihainoa izao, ianareo loholon’ny taranak’i Jakoba sy mpitondra eo amin’ny taranak’Israely, dia ianareo izay manao ny rariny ho fahavetavetana sy mamadika ny hitsiny rehetra,

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 3:9
16 Rohy Ifampitohizana  

Noteneniko mafy ny lehibe amin’i Jodà, nataoko hoe: «Inona izao zava-dratsy ataonareo mandoto ny andro sabata izao?


«Mandehana, vorio ny loholon’i Israely, ka lazao aminy hoe: Niseho tamiko i Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, nanao hoe: Namangy anareo Aho, ary nahita ny anaovan’ny olona anareo any Ejipta.


Na izay manamarina ny meloka na izay manameloka ny marina, dia samy fahavetavetana eo imason’i Iaveh.


Mandray kolikoly avy any anaty valombalonan-damba ny ratsy fanahy; ho enti-mamadika ny lalan’ny fahamarinana.


Tsy mety raha ny ratsy fanahy indray no asian-draharaha, mba handresy ny marina amin’ny fitsarana.


Ny hatezeran’ny ratsy fanahy mampivaona azy; satria efa tsy tiany ny hanaraka ny rariny.


Ny lehibenao mpikomy, sy naman’ny mpangalatra; sady tia fanatitra no fatra-pitady tambitamby avokoa; ny kamboty tsy omeny rariny; ary ny adin’ny mpitondratena, tsy tonga eo anatrehany.


mihamatavy mandimandina izy ireo. Mihoa-pampana amin’ny fanaovan-dratsy izy; tsy manao fitsarana marina, fitsarana marina ho an’ny kamboty...nefa ambinina ihany! tsy manome hitsiny ny mahantra.


Izy ireo no hampianatra ny vahoakako hahay hanavaka ny masina sy ny tsy masina; izy ireo no hampianatra azy hahay hanavaka ny maloto sy ny madio;


Mandrenesa izao, ry mpisorona; mihainoa tsara, ry taranak’i Israely; manongilàna sofina, ry taranaky ny mpanjaka; fa ianareo no hamoahana ny teny fitsarana, satria ianareo no efa fandrika tao Masfà sy fandrika harato voavelatra ao ambonin’i Tabôra.


raha manamavo ny lalàko ianareo ka boboky ny fitsipiko ny fanahinareo, ka tsy hankatoavinareo ny didiko rehetra sy hivadihanareo ny fanekena amiko,


Ovany ho abisinta ny hitsiny, ary azerany amin’ny tany ny rariny!


Tenin’i Iaveh natao tamin’i Mikea avy ao Môreseta, tamin’ny andro nanjakan’i Joatana sy i Akaza ary i Ezekiesa, mpanjakan’i Jodà, izay nahazoany fahitana momba an’i Samaria sy i Jerosalema.


Hoy aho: Mihainoa ianareo, ry loholon’i Jakôba, mbaminareo mpanapaka ny taranak’i Israely! Tsy anjaranareo va ny mahalala ny rariny,


Aoka ho voaozona izay manao ny tsy an-drariny amin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra