Hampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana: hafaliana feno no eo anatrehan’ny Tavanao; fahafinaretana mandrakizay no eo an-tananao ankavanana.
Matio 7:14 - Baiboly Katolika fa tery kosa ny vavahady, ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ety ny vavahady, ary tery ny lalana mankany amin’ny fiainana ka vitsy no mahita azy. DIEM PROTESTANTA tena èty kosa ny vavahady mankany amin’ny fiainana ary tena tery ny lalana, ka vitsy no mahita azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara tena èty kosa ny vavahady mankany amin’ny fiainana ary tena tery ny lalana, ka vitsy no mahita azy. Baiboly Protestanta Malagasy Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy. Malagasy Bible Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy. La Bible en Malgache Fa ety ny vavahady, ary tery ny lalana mankany amin’ny fiainana ka vitsy no mahita azy. |
Hampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana: hafaliana feno no eo anatrehan’ny Tavanao; fahafinaretana mandrakizay no eo an-tananao ankavanana.
Ary handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe: - Ity no lalana, ka ombao io! - dia raha ianareo hivily na ho ankavanana na ho ankavia.
Hisy arabe, hisy lalana, izay atao hoe ny lalana masina; ka ny tsy madio tsy mba hihazo eo; fa ho azy ireo ihany izy io; izay homba azy na ny olon-tsotra aza tsy hivilivily.
Ary hisy hilaza hoe: «Savao, savao ny lalana, areno izy, esory ny misakantsakana rehetra eo amin’ny lalan’ny vahoakako!»
Izao no lazain’i Iaveh: «Mitoera eny amin’ny lalana ianareo, ka mijere; anontanio izay lalana faleha taloha, izay lalan’ny famonjena ka iny aleha, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.» Kanjo izao no navalin’izy ireo: «Tsy handeha amin’izany izahay.»
Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany; fa maro no antsoina, ary vitsy no voafidy.
Midira amin’ny vavahady ety, fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no mahazo any;
Tandremo ny mpaminany sandoka, izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha;
Dia nantsoiny ny vahoaka mbamin’ny mpianany ka nilazany hoe: «Raha misy ta hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliana ka hanaraka Ahy.
Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
Fa horoahiny amin’ny sinagoga ianareo ary ho avy aza ny andro hiheveran’izay rehetra hamono anareo ho manao fanompoana an’Andriamanitra.
Izaho no nilaza izany taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho.
Isan’Eglizy nalehany, nony efa nivavaka sy nifady hanina izy ireo, dia nanendry Pretra, sy nanankina azy tamin’ny Tompo izay efa ninoany.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Nahoana re? Satria tsy tamin’ny finoana, fa tamin’ny asa no nataony hahazoana azy; ka tafintohina tamin’ny vato manafintohina izy,