Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 7:14 - DIEM PROTESTANTA

14 tena èty kosa ny vavahady mankany amin’ny fiainana ary tena tery ny lalana, ka vitsy no mahita azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Fa ety ny vavahady, ary tery ny lalana mankany amin’ny fiainana ka vitsy no mahita azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 tena èty kosa ny vavahady mankany amin’ny fiainana ary tena tery ny lalana, ka vitsy no mahita azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 fa tery kosa ny vavahady, ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 7:14
27 Rohy Ifampitohizana  

Ampahafantarinao ahy ny lalana izay mankany amin’ny fiainana; hafaliana no manenika ahy eo anatrehanao, fahafinaretana mitohy no eo ankavananao.


Ny soritry ny fahamarinana no izorako dia ny lalana anjakan’ny rariny,


Fa na handeha hiankavanana na hiankavia ianao, dia ho renao avy aoriana izao teny izao: «Ity no lalana ka araho».


Any no hisy arabe voamboatra hantsoina hoe «lalana voatokana». Tsy hahazo handalo eo izay maloto ary tsy hitonantonana eo ny mpanompo sampy; fa ny Tompo dia hisava izany lalana izany, ho an’ny vahoakany ihany.


Ny TOMPO efa niteny hoe: «Ataovy mitovy tantana ny lalana, ataovy mitovy tantana ny lalana ka sokafy, esory ny sakantsakana amin’ny lalan’ny vahoakako.»


Izao no lazain’ny TOMPO: Mijanòna eny an-dalana ianareo ka mandiniha; ary anontanio ny sakeli-dalana fahiny. Tadiavo ny lalana ho amin’ny fahasambarana; araho izany, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo! Kanefa hoy izy hoe: «Tsy hanaraka izahay!»


Dia nofaranan’i Jesoa hoe: –Dia toy izany, ny farany ho voalohany ary ny voalohany ho farany!


Dia nofaranan’i Jesoa hoe: –Eny, maro no voaantso, fa vitsy no voafidy!


–Midira amin’ny vavahady èty ianareo! Fa lehibe ny vavahady mankany amin’ny fahaverezana ary malalaka ny lalana, ka maro no miditra any;


–Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka: malemy paika toy ny ondry izy manatona anareo; kanefa ao anatiny, toy ny amboadia mandramatra.


Dia nantsoin’i Jesoa niaraka tamin’ny mpianatra ny vahoaka hankeo aminy ka nilazany hoe: –Raha misy te hiara-dia amiko, dia aoka izy handà ny tenany, ka hitondra ny hazofijaliany ary hiaraka amiko.


–Aza matahotra, ry andian’ondry vitsy, fa efa sitraky ny Ray homena anareo ny Fanjakany!


Handroaka anareo hiala amin’ny sinagôga ry zareo; eny, ho avy ny andro hiheveran’izay rehetra mamono anareo ho manatitra mari-panajana amin’Andriamanitra.


Izany no voalazako taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amin’ny firaisana amiko. Eto amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa mahereza, fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao!


Nampahery fo ny mpianatra i Paoly sy i Barnabà ary nampirisika azy ireo haharitra amin’ny finoana ka nanao taminy hoe: –Fahoriana be no tsy maintsy diavintsika mba hidirana ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra!


Aza miray lasitra amin’izao tontolo izao; fa meteza hovan’Andriamanitra ka hihavao saina tanteraka, mba hahaizanareo mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra: dia izay tsara sy ankasitrahiny ary lavorary.


Inona no antony? Satria tsy tamin’ny finoana fa tamin’ny asa vitany no heveriny hahamarina eo anatrehan’Andriamanitra. Ka dia solafaka tamin’ny «vato mahasolafaka» ny vahoaka Israely,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra