Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 27:41 - Baiboly Katolika

Ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona dia naneso Azy koa nanao hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary naneso toy izany koa ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanoradalàna sy ny loholona ka niteny hoe:

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Naneso an’i Jesoa toy izany koa ny lohandoha-mpisorona mbamin’ny mpahay lalàna sy ny loholona ka nanao hoe:

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Naneso an’i Jesoa toy izany koa ny lohandoha-mpisorona mbamin’ny mpahay lalàna sy ny loholona ka nanao hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary dia naneso toy izany koa ny lohan’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe:

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary dia naneso toy izany koa ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe:

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary naneso toy izany koa ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanoradalàna* sy ny loholona ka niteny hoe:

Jereo ny toko



Matio 27:41
12 Rohy Ifampitohizana  

raha ny fonareo no mba zahàny toetra, hankasitraka anao va Izy amin’izany? Hofitahinareo toy ny famitaka olombelona va Izy?


Aoka hiara-menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly noho ny loza manjò ahy. Aoka ho safo-kenatra sy afa-baraka, izay mitsangan-kamely ahy!


Koa ankehitriny atsaharo ny hanihaninareo, fandrao mihamafy ny fatoranareo; satria efa reko fa misy fandringanana voatendrin’ i Iavehn’ny tafika hahazo ny tany rehetra.


Izao no lazain’i Iaveh, ilay Mpanavotra sy ilay Masin’i Israely; amin’ilay esoina sy tevatevain’ny vahoaka, mpanompon’ny mpanapaka masiaka: «Hahita anao ny mpanjaka, ka hitsangana; ary ny mpanapaka, ka hiankohoka, noho ny amin’i Iaveh izay mahatoky, sy ilay Masin’i Israely izay nifidy anao.»


Telo no mpiandry noesoriko tanatin’ny iray volana monja. Ary izaho, tsy nahatsindry fo tamin’ny ondry; izy ireo koa tofoka ahy.


nanao hoe: «Ialahy, ilay mandrava ny Tempolin’Andriamanitra sy manangana azy anatin’ny hateloana ity, vonjeo ilay ity ny Tenan’ialahy; raha Zanak’Andriamanitra ialahy, mialà amin’ny Hazofijaliana.»


«Ny sasany novonjeny, fa ny Tenany kosa tsy hainy vonjena; raha mpanjakan’i Israely Izy, aoka hidina hiala amin’ny Hazofijaliana ankehitriny, dia hino Azy isika.


fa hatolotra amin’ny Jentily Izy ka hoesoina, holatsaina, hororàna,


Ary hoy i Jesoa tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpandraharaha amin’ny Tempoly ary ny loholona izay tonga teo handray Azy: «Mova tsy ny hisambotra jiolahy izato fiavinareo, mitondra sabatra sy langilangy!


Ny vahoaka nijanona nijery teo, ary ny loholona avy no nandatsa Azy nanao hoe: «Namonjy ny sasany Izy ka aoka hamonjy ny Tenany, raha Izy no Kristin’Andriamanitra, Ilay voafidy.»