Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 27:41 - DIEM PROTESTANTA

41 Naneso an’i Jesoa toy izany koa ny lohandoha-mpisorona mbamin’ny mpahay lalàna sy ny loholona ka nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

41 Ary naneso toy izany koa ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanoradalàna sy ny loholona ka niteny hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

41 Naneso an’i Jesoa toy izany koa ny lohandoha-mpisorona mbamin’ny mpahay lalàna sy ny loholona ka nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

41 Ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona dia naneso Azy koa nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

41 Ary dia naneso toy izany koa ny lohan’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

41 Ary dia naneso toy izany koa ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 27:41
12 Rohy Ifampitohizana  

Ho tsara ve ny hizahany anareo akaiky? Tsy mba olombelona Andriamanitra ka ho azonareo fitapitahina.


Ho menatra sy hangaihay avokoa anie izay olona mifaly amin’ny fahavoazako; ho safo-kenatra sy ho afa-baràka anie ireo manandra-tena mirehareha amiko!


Koa ankehitriny, aza maniratsira intsony ianareo fandrao hihamafy kokoa ny tady eny am-bozonareo; satria ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao no nandrenesako fa efa voatendry ny handravany tanteraka ity tany ity.


Ny TOMPO Mpanavotra sady Masin’i Israely, dia miteny aminao, ry voaeson’ny olona sy ankahalain’ny firenen-kafa, ary andevozin’ireo mpanjakazaka; ka izao no lazainy aminao: «Raha vao mahita anao ny mpanjaka dia hitsangana hiala amin’ny sezafiandrianany; ary hiankohoka ny manampahefana, raha vao mahatazana anao. Izany no hanajany Ahy TOMPO mahatoky, dia Ilay Masin’i Israely efa nifidy anao.»


Tao anatin’ny iray volana monja dia telo ny mpiandry azy no noroahiko; avy eo dia lotika tamin’ny ondry ny foko, sady izy koa efa tofoka ahy.


ka nanao hoe: –Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manorina azy anatin’ny telo andro ity, vonjeo ny tenanao, raha Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao, ary midîna avy eo amin’ny hazofijaliana!


–Namonjy olon-kafa Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan’i Israely hono Izy, koa ankehitriny aoka hidina avy eo amin’ny hazofijaliana, dia hinoanay.


Eny, hatolotra ny hafa firenena Izy, ka hoesoiny, hisetrasetrany, hororany;


Ary izao no tenin’i Jesoa tamin’ny lohandoha-mpisorona sy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly mbamin’ny loholona tonga teo hisambotra Azy: –Toy ny hisambotra jiolahy izato fiavinareo mirongo sabatra sy kibay.


Ny vahoaka tamin’izany nijanona teo nijery. Ny manampahefana jiosy kosa nandatsa nanao hoe: –Namonjy olon-kafa Izy, ka aoka hamonjy ny tenany, raha Izy tokoa no ilay Mesia avy amin’Andriamanitra!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra