Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 28:22 - Baiboly Katolika

22 Koa ankehitriny atsaharo ny hanihaninareo, fandrao mihamafy ny fatoranareo; satria efa reko fa misy fandringanana voatendrin’ i Iavehn’ny tafika hahazo ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Koa aza maniratsira intsony ianareo, fandrao vao mainka ho mafy ny famatorana anareo. Fa fahafonganana no voatendry hamelezana ny tany rehetra; izany no reko tamin’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

22 Koa ankehitriny, aza maniratsira intsony ianareo fandrao hihamafy kokoa ny tady eny am-bozonareo; satria ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao no nandrenesako fa efa voatendry ny handravany tanteraka ity tany ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Koa ankehitriny, aza maniratsira intsony ianareo fandrao hihamafy kokoa ny tady eny am-bozonareo; satria ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao no nandrenesako fa efa voatendry ny handravany tanteraka ity tany ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Koa dia aza maniratsira intsony hianareo, Fandrao atao mafy ny famatorana anareo; Fa fahafonganana voatendry no efa reko tamin’i Jehovah, Tompon’ny maro, Hamelezana ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Koa dia aza maniratsira intsony ianareo, fandrao atao mafy ny famatorana anareo; Fa fahafonganana voatendry no efa reko tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hamelezana ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 28:22
28 Rohy Ifampitohizana  

Notetezin’ny mpihazakazaka toy izany avokoa ny tanàna any amin’ny tanin’i Efraima sy i Manase, ka hatrany amin’i Zabolôna; nefa nihomehezan’ny olona sy novazivaziny foana izy.


Tamin’izay dia nentin’i Iaveh hamely azy ireo ny lehiben’ny tafiky ny mpanjakan’i Asiria, nosamborin’ireo i Manase tamin’ny masom-by, nogiazany tamin’ny gadra varahina roa, dia nentiny nankany Babilôna.


Kanjo nihomehezan’izy ireo ny irak’Andriamanitra, notsiratsirainy ny teniny, ary novazivaziny ny mpaminaniny, mandra-pihatran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny vahoakany tsy azo notohaina intsony.


Fa nanorotoro ny varavarana varahina izy, ary nanapatapaka ny hidy vy.


Ary hoy i Môizy: «Indro hivoaka ato aminao Aho, dia hangataka amin’i Iaveh, ka rahampitso ny lali-be dia hiala amin’i Faraôna sy ny mpanompony ary ny vahoakany. Fa aoka kosa i Faraôna tsy hamitaka intsony, ka tsy hamela ny vahoaka handeha hanolotra sorona amin’i Iaveh.»


Vonona ho an’ny mpamazivazy ny fitsarana, ary ho an’ny lamosin’ny adala ny kapoka.


Ny olona tandrifin’ny hanarina, ka mihamafy hatoka, dia ho torotoro tampoka tsy hisy fanafody hahasitrana.


Nefa izao no hitranga raha avy izay hahatanterahan’ny Tompo ny asany manontolo, amin’ny tendrombohitra Siôna sy amin’i Jerosalema, dia hosavako ny vokatry ny fo be anjonanjon’ny mpanjakan’i Asiria, sy ny reharehan’ny masony miandranandrana.


Mampandria sofina, ka mandrenesa ny feoko, mihainoa tsara ka mandrenesa ny feoko:


Tsy mba nipetraka teo amin’ny fivorian’ny mpihomehy aho, mba hiaranako amin’ny firavoravoana; fa nipetraka nanirery teo ambanin’ny tananao aho, satria nofenoinao hatezerana.


Ry Iaveh ô, notarihinao aho, ka voatarika, Nosamborinao, ka nahery Ianao. Zavatra fihomehezana aho isan’andro; maneso ahy avokoa ny olona rehetra.


Ity tany rehetra ity ho tany lao, hanompo ny mpanjakan’i Babilôna, mandritra ny 70 taona.


Vao toko telo na efatra no voavakin’i Jodì, dia notapahin’ny mpanjaka tamin’ny antsipìkan’ny mpanoratra, ilay taratasy, ka natsipiny tao anatin’ny afo tao am-patana, mandra-pahalevon’ny afo tao am-patana ny horonan-taratasy manontolo.


Raha efa izany dia nopotsiriny ny mason’i Sedesiasa, ary nafatony tamin’ny rojo varahina roa izy hoentina any Babilôna.


Ny jiogan’ny fahotako dia voafehy, tao an-tanany; voatambatra ho fehezany ireny, ka mitambesatra amin’ny vozoko, nataony mihozohozo ny heriko. Natolotry ny Tompo eo an-tanan’izay tsy leoko aho.


Moa hahazaka va ny fonao ary hahatoha ihany va ny tananao, amin’ny andro hiasako hamely anao? Izaho Iaveh no nilaza ka hanatanteraka.


Inona no hevitrao ny amin’i Iaveh? hotanterahiny ny fandravana: tsy hipoitra fanindroany ny fahoriana.


Ary izay nandalo dia nihifikifi-doha nanevateva Azy


Dia nandatsa Azy toy izany koa iretsy jiolahy roa izay niaraka nofantsihana taminy tamin’ny Hazofijaliana.


haringana amin’ny lela sabatra izy, sy ho lasan-ko babo any amin’ny firenena rehetra, ary hohitsakitsahin’ny Jentily i Jerosalema mandra-pahafenon’ny andron’ny Jentily.»


Nony nandre izany hoe fitsanganan’ny maty izy ireo, dia nihomehy ny sasany, fa ny sasany kosa nanao hoe: «Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’izany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra