Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 28:23 - Baiboly Katolika

23 Mampandria sofina, ka mandrenesa ny feoko, mihainoa tsara ka mandrenesa ny feoko:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Atongilano ny sofinareo ka henoy ny feoko! Tandremo ka mihainoa ny teniko!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

23 Koa manongilàna sofina hihaino tsara ahy, ary tandremo izay lazaiko aminareo:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Koa manongilàna sofina hihaino tsara ahy, ary tandremo izay lazaiko aminareo:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Mihainoa hianareo, ka mandrenesa ny feoko; Mitandrema, ka mandrenesa ny teniko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Mihainoa ianareo, ka mandrenesa ny feoko; Mitandrema, ka mandrenesa ny teniko.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 28:23
11 Rohy Ifampitohizana  

Mihainoa, ry vahoakako, fa misy fananarana hataoko anao; enga anie ka hihaino ahy ianao, ry Israely.


Mihainoa, ry lanitra, ary ianao ry tany, mitongilàna sofina, fa miteny i Iaveh: «Efa namelon-jaza Aho, ary efa nanabe ireny, kanjo izy ireo niodina tamiko.


Koa ankehitriny atsaharo ny hanihaninareo, fandrao mihamafy ny fatoranareo; satria efa reko fa misy fandringanana voatendrin’ i Iavehn’ny tafika hahazo ny tany rehetra.


Moa ny mpiasa tany izay mihevitra ny hamafy, dia miasa tany hatrany hatrany sy miasa tany ary mamaky bainga ihany?


Ry vehivavy tsy manahy, mitsangàna, mihainoa ny feoko! Ry zazavavy tsy manahy, mampandria sofina amin’ny teniko.


Ry tany ô, ry tany ô, ry tany ô, henoy ny tenin’i Iaveh!


Mampandria sofina, ry lanitra, fa hiteny Aho; ary aoka ny tany hihaino ny teny haloaky ny vavako.


Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy: Izay mandresy dia tsy hosimban’ny fahafatesana faharoa.


Manan-teny kely aminao anefa Aho, fa ao aminao dia misy mitana ny fampianaran’i Balaama, izay nanome fo an’i Balàka hanisy fanafintohinana eo anoloan’ny zanak’i Israely, mba hitarika azy hihinan-kena naterina tamin’ny sampy sy hijangajanga.


Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy.


Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy: «Izay mandresy, havelako hihinanany ny hazon’ny fiainana izay ao amin’ny paradisan’Andriamanitra»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra