Matio 2:2 - Baiboly Katolika nanao hoe: «Aiza ilay Mpanjakan’ny Jody vao teraka? fa efa nahita ny kintany tany atsinanana izahay ka nankatỳ mba hitsaoka Azy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy? Fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany. DIEM PROTESTANTA ka nanontany hoe: –Aiza moa ilay Mpanjakan’ny Jiosy vao teraka? Efa hitanay niposaka tany atsinanana manko ny kintany, koa indreto izahay tonga hiankohoka eo anatrehany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka nanontany hoe: –Aiza moa ilay Mpanjakan’ny Jiosy vao teraka? Efa hitanay niposaka tany atsinanana manko ny kintany, koa indreto izahay tonga hiankohoka eo anatrehany. Baiboly Protestanta Malagasy Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany. Malagasy Bible Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan'ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany. La Bible en Malgache Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy*? Fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany. |
Mandroso ho amin’ny fahazavanao ny firenena, ary ho eo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao ny mpanjaka.
Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hananganako ho an’i Davida solofo marina; hitondra ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany.
fa ho mpanaiky an’i Iaveh Andriamaniny izy ireo, sy an’i Davida mpanjakany, izay hatsangako ho azy.
Mifalia amin’ny hafaliana lehibe, ry zanaka vavin’i Siôna! Manaova feo firavoravoana, ry zanaka vavin’i Jerosalema. Fa indro ny Mpanjakanao avy ho atỳ aminao; marina izy sady arovan’Andriamanitra; manetry tena mitaingina ampondra dia ampondra tanora, zanak’ampondravavy.
Hitako izy, fa tsy toy ny ankehitriny, Tazako izy fa tsy mba akaiky. Misy kintana iray miposaka avy amin’i Jakôba, Tehim-panjakana iray mitsangana avy amin’i Israely. Mandrava an’i Moaba eo an-daniny roa izy, Ary mandringana ny zanaky ny fitabatabana rehetra.
«Lazao amin’ny zanakavavin’i Siôna hoe: Indro ny Mpanjakanao mankeo aminao. malemy fanahy sady mitaingina ampondra, dia zanak’ampondra mitondra jioga.»
Dia tonga teo anatrehan’ny governora i Jesoa ka nanontanian’ny governora hoe: «Ianao va no mpanjakan’ny Jody?» «Voalazanao,» hoy i Jesoa taminy;
«Hankalazaina anie, hoy izy ireo, ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie amin’ny Avo Indrindra!»
Dia nanontany Azy i Pilaty nanao hoe: «Moa mpanjakan’ny Jody va Ianao?» ka novaliany hoe: «Voalazanao.»
Teo ambonin’ny lohany koa dia nisy soratra tamin’ny teny grika sy latinina ary hebrio nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN’NY JODY.
Dia namaly Azy i Natanaely, ka nanao hoe: «Raby ô, Ianao no zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely.»
ka naka sampan-drofia izy, dia nitsena Azy sy niantso hoe: «Hôzàna, hohasoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, sy Mpanjakan’i Israely.
Dia hoy i Pilaty taminy: «Koa mpanjaka izany Ianao?» Ary novalian’i Jesoa hoe: «Efa voalazanao, Mpanjaka Aho. Teraka Aho, sy tonga tatỳ an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko.»
Ary nanao soratra i Pilaty napetany teo an-dohan’ny Hazofijaliana, ka izao no vakiny: «Jesoa avy any Nazareta mpanjakan’ny Jody.»
mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka, dia tsy manaja ny Ray izay naniraka Azy.
Ary rehefa mampiditra ny Lahimatoa atỳ ambonin’ny tany indray izy, dia manao hoe: Aoka hitsaoka azy ny Anjelin’Andriamanitra rehetra.
Izaho Jesoa no naniraka ny Anjeliko hanambara ireo zavatra ireo aminareo ho an’ny Eglizy. Dia Izaho ilay solofo sy taranak’i Davida ary kintana mamirapiratra fitarika andro.