Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 18:4 - Baiboly Katolika

Koa amin’izany na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zaza ity dia izy no ho lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa izay hanetry tena tahaka ity zazakely ity no ho lehibe indrindra ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa izay hanetry tena tahaka ity zazakely ity no ho lehibe indrindra ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zaza ity dia izy no ho lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Jereo ny toko



Matio 18:4
13 Rohy Ifampitohizana  

Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra, izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe ilay Masina: Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho, ary koa ao amin’ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.


Tamin’izay, nanatona an’i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe: «Iza moa no ambony indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra?»


ary hoy Izy: Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory.


Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin’ny Anarako, dia mandray Ahy koa.


Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany; fa izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanomponareo,


Dia nipetraka Izy ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy ka nanao taminy hoe: «Izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra.»


Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.»


dia hoy Izy tamin’izy ireo: «Na iza na iza mandray itony zazakely itony amin’ny Anarako dia mandray Ahy, ary na zovy na zovy mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra eo aminareo rehetra dia izy no lehibe.»


Manetre tena eo anatrehan’Andriamanitra, dia hanandratra anareo izy.


Ary ianareo mbola tanora kosa, maneke ny Pretra. Samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, ary manome fahasoavana ny manetry tena.