Marka 7:24 - Baiboly Katolika Nony niala teo Izy dia nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidona, ary niditra tao an-trano anankiray, fa tsy te ho fantatr’olona, nefa tsy nahazo niery. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin’ny sisintanin’i Tiro sy i Sidona. Dia niditra tao amin’ny trano iray Izy, ary tsy tiany ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy afaka niery Izy. DIEM PROTESTANTA Dia niala teo i Jesoa ary lasa nankany amin’ny faritany akaikin’ny tanàna atao hoe Tiro; ary niditra tao an-trano anankiray Izy fa tsy te ho fantatry ny olona, kanefa tsy afa-niafina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niala teo i Jesoa ary lasa nankany amin’ny faritany akaikin’ny tanàna atao hoe Tiro; ary niditra tao an-trano anankiray Izy fa tsy te ho fantatry ny olona, kanefa tsy afa-niafina. Baiboly Protestanta Malagasy ARY niala teo Jesosy ka lasa nankany amin’ny sisin-tanin’i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy. Malagasy Bible Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin'ny sisin-tanin'i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy. La Bible en Malgache Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin’ny sisintanin’i Tiro sy i Sidona. Dia niditra tao amin’ny trano iray Izy, ary tsy tiany ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy afaka niery Izy. |
Ka ny faritanin’ny Kananeanina tafapaka hatrany Sidona amin’ny tandrifin’ny Jerara ka hatrany Gazà, ary hatramin’ny tandrifin’i Sôdôma, i Gômôra, i Adama ary i Sebôima, dia hatrany Lesà.
I Zabolôna monina amoron-dranomasina, Dia eo amoron’ny fitodian-tsambo, Mifanolotra amin’i Sidona ny sisin-taniny.
Ary hoy izy: «Tsy hanao fifaliana intsony ianao, ry virjiny afa-baraka, zanaka vavin’i Sidona! Mitsangàna, mità ho any Setima; na any aza anefa, tsy hisy fitsaharana ho anao.
Tsy hiantso mafy izy, na hanandra-peo, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalambe.
Ry zanak’olona, lazao ny mpanjakan’i Tira hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny fonao nanandra-tena, sady ianao nanao hoe: Andriamanitra aho, no ipetrahako eo anivon’ny ranomasina, seza fiandrianan’Andriamanitra; nefa olombelona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsy akory, na dia ataonao ho toy ny fon’Andriamanitra aza ny fonao!
ka nataony hoe: «Mila loza ianao, ry Kôrôzaina, ry Betsaida! fa raha izay no tany Tira sy Sidona no natao ny fahagagana natao taminareo, dia efa ho nibebaka ela tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona izy.
Nony tonga tany an-trano Izy, dia nanatona Azy ireto jamba, ary hoy i Jesoa taminy: «Moa mino ianareo fa mahay manao izany Aho?». «Eny, Tompoko» hoy ireo taminy.
Fa vetivety foana dia nisy vehivavy anankiray nanan-janakavavy azon’ny fanahy maloto nandre izany, ka tonga niankohoka tamin’ny tongony.
Niala indray tany amin’ny faritanin’i Tira i Jesoa, ary namaky ny faritanin’i Sidona ka tonga tany amoron’ny ranomasin’i Galilea, amin’ny faritanin’i Dekapôly.
toy izany koa ny asa tsara: misy miharihary, misy tsy toy izany aloha, nefa tsy ho azo afenina lalandava.