Marka 15:43 - Baiboly Katolika dia tonga i Josefa avy any Arimatia, loholona malaza izay nanantena ny fanjakan’Andriamanitra koa. Sahy nanatona an’i Pilaty izy, nangataka ny vatan’i Jesoa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia avy i Josefa avy any Arimatia, lehilahy manankaja izay isan’ny Sinedriona sady niandry ny fanjakan’Andriamanitra koa. Sahy niditra tao amin’i Pilato izy nangataka ny fatin’i Jesosy. Baiboly Protestanta Malagasy dia avy Josefa avy any Arimatia, lehilahy manan-kaja, izay isan’ny Synedriona sady niandry ny fanjakan’Andriamanitra koa; ary sahy niditra tao amin’i Pilato izy ka nangataka ny fatin’i Jesosy. Malagasy Bible dia avy Josefa avy any Arimatia, lehilahy manan-kaja, izay isan'ny Synedriona sady niandry ny fanjakan'Andriamanitra koa; ary sahy niditra tao amin'i Pilato izy ka nangataka ny fatin'i Jesosy. La Bible en Malgache dia avy i Josefa avy any Arimatia, lehilahy manankaja izay isan’ny Sinedriona* sady niandry ny fanjakan’Andriamanitra koa. Sahy niditra tao amin’i Pilato izy nangataka ny fatin’i Jesosy. |
Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany; fa maro no antsoina, ary vitsy no voafidy.
Nony hariva ny andro, dia nisy lehilahy manan-karena anankiray avy any Arimatia atao hoe Josefa, izay mpianatr’i Jesoa koa,
I Piera kosa nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany an-tokotanin’ny lehiben’ny mpisorona, dia niara-nipetraka tamin’ny mpanompo teo anilan’ny afo, sy namindro.
Gaga i Pilaty noho Izy maty sahady, ka nampaka ilay kapiteny sy nanontany azy na efa maty ela Izy na tsia.
Ary indro, nisy lehilahy atao hoe Simeôna tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fanalana alahelo an’i Israely, ary tao aminy ny Fanahy Masina,
Tonga koa izy tamin’izany fotoana izany, ka nidera an’Andriamanitra, ary nilazalaza ny Zaza tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Jerosalema.
Ary nisy lehilahy tsara fanahy sady marina anankiray atao hoe Josefa izay anisan’ny Sanedrìna;
tsy mba nisy neken’izy io na ny hevi-dratsin’ny sasany na ny nataon’izy ireo; avy any Arimatia tanànan’i Jodea izy, ary mba nanantena ny fanjakan’Andriamanitra koa.
Rehefa afaka izany, i Josefa avy any Arimatia, izay mpianatr’i Jesoa an-tsokosoko noho ny fahatahorany ny Jody dia nangataka tamin’i Pilaty mba haka ny fatin’i Jesoa, ka neken’i Pilaty izany. Dia lasa izy naka ny fatin’i Jesoa.
Nefa notarihin’ny Jody ny vehivavy tia vavaka sy ambony toetra, mbamin’ny loholona tao an-tanàna, ka nampanenjika an’i Paoly sy i Barnabe, sy nandroaka azy hiala amin’ny taniny.
Koa betsaka tamin’izy ireo no nino, ary maro koa ny vehivavy Jentily ambony toetra sy ny lehilahy no nandray ny finoana.
ka nahazo toky noho ny fifatorako ny ankabeazan’ny rahalahy ao amin’ny Tompo, ary voa mainka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin’Andriamanitra tsy aman-tahotra.