Marka 15:15 - Baiboly Katolika Ary noho i Pilaty te-hahazo sitraka amin’ny vahoaka, dia nandefa an’i Barabasy ho azy izy, ary nampikapoka an’i Jesoa sy nanolotra Azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ta hanome fahafaham-po ny vahoaka i Pilato ka nanafaka an’i Barabasy ho azy ireo; fa Jesosy kosa dia natolony mba hokaravasina sy hohomboina amin’ny hazofijaliana. DIEM PROTESTANTA Te hanome fahafaham-po ny vahoaka i Pilato, ka dia i Barabasy no nalefany ho azy; fa i Jesoa kosa nasainy nokapohina sy natolony hohomboana amin’ny hazofijaliana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Te hanome fahafaham-po ny vahoaka i Pilato, ka dia i Barabasy no nalefany ho azy; fa i Jesoa kosa nasainy nokapohina sy natolony hohomboana amin’ny hazofijaliana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Pilato ta-hahazo sitraka tamin’ny vahoaka, ka dia nandefa an’i Barabasy ho azy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony azy mba hohomboana amin’ny hazofijaliana. Malagasy Bible Ary Pilato ta-hahazo sitraka tamin'ny vahoaka, ka dia nandefa an'i Barabasy ho azy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony azy mba hohomboana amin'ny hazo fijaliana. La Bible en Malgache Ary ta hanome fahafaham-po ny vahoaka i Pilato ka nanafaka an’i Barabasy ho azy ireo; fa Jesosy kosa dia natolony mba hokaravasina sy hohomboina amin’ny hazofijaliana. |
Fa mahatakatra ny lanitra ny tsy fivadihanao, ary mihatra amin’ny rahona ny fahamarinanao.
Ny tahotra olombelona, misy fandrika anatiny; fa ny matoky amin’i Iaveh, no tafatoetra tsy misy hatahorany.
Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko; ary tamin’ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako; ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora.
ka hanolotra Azy amin’ny Jentily mba hoesoiny, sy hokapohiny, ary hofantsihana amin’ny Hazofijaliana; fa hitsangana indray Izy amin’ny andro fahatelo.»
Tamin’izay dia nalefany i Barabasy, ary i Jesoa nony efa nasainy nokapohina dia natolony azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana.
dia ho esoiny, hororany, hokapohiny, ary hovonoiny, fa hitsangana indray amin’ny andro fahatelo.»
«Fa inona àry no ratsy nataony?» hoy i Pilaty taminy. Dia vao mainka niantso mafimafy kokoa izy ireo nanao hoe: «Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.»
ary rehefa voakapoka dia hovonoina, fa hitsangan-ko velona avy any amin’ny maty amin’ny andro fahatelo.»
Tamin’izay dia natolony azy hofantsihana i Jesoa. Ka noraisin’izy ireo Izy, dia nentiny.
Nony afaka roa taona, dia nodiasan’i Pôrsiosy Festosy i Feliksa, ary noho izy te hahazo sitraka tamin’ny Jody, dia navelany ho mpifatotra tao ihany i Paoly.
Nila sitraka tamin’ny Jody anefa i Festosy ka namaly an’i Paoly hoe: «Manao ahoana raha miakatra any Jerosalema ianao, ka dia any no tsaraina eo anatrehako, ny amin’izany zavatra izany?»
Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.