Fa hoy i Faraôna taminy: «Inona no tsy mahampy ny ilainao, no dia maniry hody any amin’ny taninao ianao?» Ary hoy ny navaliny: «Tsy inona tsy inona akory fa avelao ihany aho mba handeha.»
Marka 14:31 - Baiboly Katolika Fa vao mainka niteny mafimafy kokoa izy nanao hoe: «Na dia hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handà Anao.» Ary nilaza toy izany koa izy rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa vao mainka nanamafy izy hoe: Na dia tsy maintsy ho faty miaraka Aminao aza aho dia tsy mba handa Anao mihitsy. Ary toy izany koa no nolazain’izy rehetra. DIEM PROTESTANTA Fa vao mainka koa nanamafy ny teniny i Petera nanao hoe: –Na dia hovonoina miaraka aminao aza aho, dia tsy handà Anao. Ary dia samy nilaza toy izany avokoa ny mpianatra rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa vao mainka koa nanamafy ny teniny i Petera nanao hoe: –Na dia hovonoina miaraka aminao aza aho, dia tsy handà Anao. Ary dia samy nilaza toy izany avokoa ny mpianatra rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Fa vao mainka niteny mafy dia mafy izy hoe: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handa Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain’izy rehetra. Malagasy Bible Fa vao mainka niteny mafy dia mafy izy hoe: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain'izy rehetra. La Bible en Malgache Fa vao mainka nanamafy izy hoe: Na dia tsy maintsy ho faty miaraka Aminao aza aho dia tsy mba handa Anao mihitsy. Ary toy izany koa no nolazain’izy rehetra. |
Fa hoy i Faraôna taminy: «Inona no tsy mahampy ny ilainao, no dia maniry hody any amin’ny taninao ianao?» Ary hoy ny navaliny: «Tsy inona tsy inona akory fa avelao ihany aho mba handeha.»
Fa hoy i Hazaela: «Zinona moa ny mpanomponao, izay alika foana ity, no dia hahavita zava-dehibe toy izany?» ary namaly i Elisea: «Efa nasehon’i Iaveh tamiko fa ho mpanjakan’i Siria ianao.»
Fa indray mipi-maso no aharetan’ny fahatezerany, ary mandritra ny andro iainana ny fahasoavany; ny hariva no tonga ny fitomaniana, ary ny maraina kosa misy ny fifaliana.
Ka indray namaly ny vahoaka nanao hoe: «Hataonay avokoa izay rehetra voalazan’i Iaveh.» Dia lasa i Môizy nitondra ny tenin’ny vahoaka tany amin’i Iaveh.
Ny fireharehana dia mialoha ny faharavana, ary ny fiavonavonana dia mialoha ny fahalavoana.
Ny olona maro sakaiza, hahazo loza amin’ireny; fa mba misy izay sakaiza mifikitra noho ny rahalahy.
Ny avonavon’ny olona, mamarina amin’ny fietrena; fa ny manetry tena ao am-po mahazo voninahitra.
Fantatro, ry Iaveh ô, fa tsy ny olombelona ny tompon’ny lalany, tsy mba an’ny olona mandeha, ny manitsy ny diany.
ary izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra.
«Zakanay» hoy ireo taminy. Fa hoy kosa i Jesoa: «Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa, ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa;
Ary hoy i Jesoa taminy: «Lazaiko marina aminao fa anio alina ihany, raha mbola tsy maneno fanindroany akory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao.»
Ary tonga tany amin’ny saha atao hoe Getsemanỳ izy ireo, dia hoy Izy tamin’ny mpianany: «Mipetraha eto ianareo mandra-pivàvako.»
Nefa nikiry izy ireo niantso mafy nangataka Azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana, ka nitombo nitombo ihany ny horakoraka.
Ary hoy i Piera taminy: «Ahoana, Tompoko, no tsy ahazoako manaraka Anao ankehitriny? Hafoiko ho Anao hatramin’ny aiko aza.»