Mihainoa àry, ry Jesosy, mpisorona lehibe, ianao sy ireo namanao mipetraka eo anoloanao: - fa olona hatao fambara ireo: Indro Aho efa hampiavy ilay Solofo, mpanompoko.
Marka 10:32 - Baiboly Katolika Ary nony mby teny an-dalana ho any Jerosalema izy ireo, dia i Jesoa no lohalalana, ka sady gaga ny mpianany no natahotra teny am-panarahana Azy. Dia nalainy indray ny roa ambin’ny folo lahy ka nilazany ny hanjò Azy: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy no nandeha teo alohany. Dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa amby folo lahy indray Izy dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy DIEM PROTESTANTA Teny an-dalana miakatra ho any Jerosalema i Jesoa sy ny mpianany; ka i Jesoa no lohalalana, ary gaga ny mpianatra; ny olon-kafa tafara-dia tamin-dry zareo kosa raiki-tahotra. Dia nalain’i Jesoa ho eo aminy indray ny 12 lahy, ka nilazany an’izay madiva hanjo Azy: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Teny an-dalana miakatra ho any Jerosalema i Jesoa sy ny mpianany; ka i Jesoa no lohalalana, ary gaga ny mpianatra; ny olon-kafa tafara-dia tamin-dry zareo kosa raiki-tahotra. Dia nalain’i Jesoa ho eo aminy indray ny 12 lahy, ka nilazany an’izay madiva hanjo Azy: Baiboly Protestanta Malagasy ARY Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dàlana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy nandeha eo alohany; dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa ambin’ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy Malagasy Bible Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy nandeha eo alohany; dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa ambin'ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy La Bible en Malgache Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy no nandeha teo alohany. Dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa amby folo lahy indray Izy dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy |
Mihainoa àry, ry Jesosy, mpisorona lehibe, ianao sy ireo namanao mipetraka eo anoloanao: - fa olona hatao fambara ireo: Indro Aho efa hampiavy ilay Solofo, mpanompoko.
Tamin’izany andro izany, dia hoy indray i Jesoa: Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry sy be saina Ianao, ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa.
Namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany.
Gaga ny olona rehetra ka nifampilaza hoe: «Inona ity? Fampianarana vaovao inona re ity? fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy.»
Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy, fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo.
Dia nitodika tamin’ny mpianany Izy ka nilaza taminy manokana hoe: «Sambatra ny maso mahita izay hitanareo;
Ary nony efa antomotra ny andro tsy maintsy hanalana Azy, dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema Izy,
Dia hoy i Tomà izay atao hoe Didimo tamin’ny mpianatra namany: «Andeha koa isika mba hiara-maty aminy.»
Ka hoy ny mpianany taminy: «Raby ô, vao haingana teo no nitady hitora-bato Anao ny Jody, ka dia hankany indray ve Ianao?»