Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Malakia 2:4 - Baiboly Katolika

Dia ho fantatrareo amin’izay, fa nandefa ity didy ity aminareo Aho, mba haharetan’ny fanekeko amin’i Levi, hoy i Iavehn’ny tafika.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho mba haharetan’ilay fanekeko tamin’i Levy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no efa nampitandrina anareo mba haharetan’ny fanekempihavanako amin’ny levita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no efa nampitandrina anareo mba haharetan’ny fanekempihavanako amin’ny levita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho, mba haharetan’ny fanekeko amin’i Levy, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho, mba haharetan'ny fanekeko amin'i Levy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho mba haharetan’ilay fanekeko tamin’i Levy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

Jereo ny toko



Malakia 2:4
21 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy ny navalin’i Mikea: «Ho hitanao izany, amin’ilay andro handehananao isan’efitrano hierenao.»


Tsarovy izy ireo, ry Andriamanitra ô, ny amin’ny nanalany baraka ny fisoronana sy ny andraikitra masin’ny mpisorona sy ny Levita!


Ry Iaveh ô, ny tananao efa voaainga tsy hitan’izy ireo. Fa ny zotom-ponao ho an’ny olonao kosa ho hitany ka hangaihay izy ireo; ho levon’ny afo natao handevonana ny fahavalonao.


Toy izao no hahavoaonitra ny helok’i Jakôba, ary izao no ho vokatra rehetra amin’ny famelana ny fahotany. Rehefa ny vaton’ireo ôtely no hataony manjary vovoka manahaka ny vato sokay, dia tsy hatsangana intsony ny aserah sy ny sarin’ny Masoandro.


Ary izay mpaminany naminany fiadanana kosa, dia ny fahatanterahan’ny tenin’izany mpaminany izany no hahafantarana azy ho mpaminany tena nirahin’i Iaveh marina tokoa.»


Rehefa ho tonga izany zavatra izany, - sady indro efa tonga tokoa izany - dia ho fantatr’izy ireo, fa efa nisy mpaminany teo aminy.


Hiseho ho lehibe sy masina Aho, ary hampahanfantatra ny Tenako eo imason’ny firenena maro, ka ho fantatr’izy ireo fa Iaveh Aho.


dia ny nitondranareo ny taranaky ny hafa firenena, tsy mifora fo na mifora nofo akory, ho eo amin’ny fitoerako masina, mba handoto ny tranoko, tamin’ny nanateranareo ny anjara haniko, na ny sabora na ny ra; ka dia nivadika ny fanekeko ireo, tamin’ny fahavetavetanareo rehetra.


Indro Aho haniraka ny hirako, ka izy no hamboatra ny lalana eo alohako; dia ho tonga tampoka ao an-tempoliny ny Tompo tadiavinareo, ilay Anjelin’ny fanekena irinareo. Indro avy izy, hoy i Iavehn’ny tafika.


Ento manatona miaraka aminao koa ny rahalahinao, ny fokon’i Levỳ, ny fokon-drainao, ho mpanampy anao, hanompoany anao, rehefa mby anoloan’ny trano lain’ny vavolombelona ianao sy ny zanakao miaraka aminao.


Indro omeko ho lovan’ny taranak’i Levỳ ny fahafolon-karena rehetra amin’i Israely noho ny raharaha ataony, dia ny raharahan’ny trano lay fihaonana.


Koa noho izany dia ilazao izy fa homeko ny fanekem-pihavanako;


Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:


«Indro efa nalaiko ho Ahy eo afovoan’ny zanak’i Israely ny Levita, ho solon’ny lahy matoa izay voalohan-teraky ny reniny ao amin’ny taranak’i Israely, ka dia Ahy ny Levita;


«Alao ny Levita ho solon’ny lahy matoa rehetra amin’ny zanak’i Israely; ary ny biby fiompin’ny Levita ho solon’ny biby fiompiny koa, ka dia ho Ahy ny Levita; Izaho no Iaveh.


eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny tsara ny famoloana, ka ny variny hangoniny any an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty.»


Na ny vovoky ny tanànanareo nipetraka tamin’ny tongotray aza dia ahintsanay hiampanga anareo; fantaro anefa fa efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.


Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny, ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa.