Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 3:45 - Baiboly Katolika

45 «Alao ny Levita ho solon’ny lahy matoa rehetra amin’ny zanak’i Israely; ary ny biby fiompin’ny Levita ho solon’ny biby fiompiny koa, ka dia ho Ahy ny Levita; Izaho no Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

45 Alao ny levita ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Zanak’Israely, ary ny biby fiompin’ny levita ho solon’ny biby fiompiny. Ahy ny levita. Izaho no TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

45 –Atokano ho Ahy ny Levita ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Israelita fa Izaho no TOMPO; dia tahaka izany koa, ny biby fiompin’ny Levita no ho solon’ny voalohan-teraky ny biby fiompin’ny Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

45 –Atokano ho Ahy ny Levita ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Israelita fa Izaho no TOMPO; dia tahaka izany koa, ny biby fiompin’ny Levita no ho solon’ny voalohan-teraky ny biby fiompin’ny Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

45 Alao ny Levita ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Zanak’Isiraely; ary ny biby fiompin’ny Levita ho solon’ny biby fiompiny: Ahy ny Levita; Izaho no Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

45 Alao ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely; ary ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny biby fiompiny: Ahy ny Levita; Izaho no Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

45 Alao ny levita ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Zanak’Israely, ary ny biby fiompin’ny levita ho solon’ny biby fiompiny. Ahy ny levita. Izaho no TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 3:45
7 Rohy Ifampitohizana  

Zanak’ondry ny hanavotanao ny voalohan-teraky ny ampondra; na hofolahinao ny hatony raha tsy havotanao izy. Havotanao ny lahy matoa rehetra amin’ny zanakao; ary aza miseho eo anatrehako tsy mitondra fanatitra ianao.»


Dia ho fantatrareo amin’izay, fa nandefa ity didy ity aminareo Aho, mba haharetan’ny fanekeko amin’i Levi, hoy i Iavehn’ny tafika.


Indro efa nalaiko teo afovoan’ny zanak’i Israely ny Levita rahalahinareo. Efa natolotra an’i Iaveh izy ka atolotra aminareo ho fanomezana, mba hanao ny raharahan’ny trano lay fihaonana.


«Indro efa nalaiko ho Ahy eo afovoan’ny zanak’i Israely ny Levita, ho solon’ny lahy matoa izay voalohan-teraky ny reniny ao amin’ny taranak’i Israely, ka dia Ahy ny Levita;


Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:


Fa efa nomena Ahy mihitsy izy eo afovoan’ny zanak’i Israely; nalaiko ho Ahy, ho solon’ny lahy rehetra voalohan-teraky ny reniny izy,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra