Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Malakia 2:16 - Baiboly Katolika

Fa halako ny fisaoram-bady, hoy i Iaveh, Andriamanitr’i Israely, satria ny manao izany, dia ny manototra fahasahiana ny fitafiany, hoy i Iavehn’ny tafika. Koa mitandrema ny fitondran-tenanareo fa aza misy mamitaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa halako ny fisaoram-bady, hoy NY TOMPO, Andriamanitr’Israely, halako ny fanosihosena ny fitafiany amin’ny fampahoriana, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Koa tandremo ny fanahinareo ary aza mamitaka ianareo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Halako ny fisaoram-bady sy ny fihosenana amin’ny herisetra, hoy ny TOMPO Andriamanitr’i Israely sady Tompon’izao rehetra izao. Koa dia mitandrema tena ianareo ary aza mandao vady.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Halako ny fisaoram-bady sy ny fihosenana amin’ny herisetra, hoy ny TOMPO Andriamanitr’i Israely sady Tompon’izao rehetra izao. Koa dia mitandrema tena ianareo ary aza mandao vady.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin’ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon’ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka hianareo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin'ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka ianareo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa halako ny fisaoram-bady, hoy NY TOMPO, Andriamanitr’Israely, halako ny fanosihosena ny fitafiany amin’ny fampahoriana, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Koa tandremo ny fanahinareo ary aza mamitaka ianareo.

Jereo ny toko



Malakia 2:16
13 Rohy Ifampitohizana  

Ka dia rehareha no firaratan’ny vozony, ary halozana no akanjo sarobidy itafiany.


Izay manafina ny fahotany tsy mba hambinina; fa izay mitsotra sy mahafoy izany dia hahazo famindram-po.


Ahoana no ho raiki-pitia vehivavy an’olon-kafa ianao, anaka, ka hanohona izay tratran’olon-tsy fantatra?


Satria: fohy tsy misy hitsorana, ny farafara; ary kely tsy ampy hirakofana ny firakotra.


Izao no lazain’i Iaveh: Aiza izay taratasy fisaorana an-dreninao, nisaorako azy? Iza no manan-trosa amiko, nivarotako anareo? Tsia, noho ny tsy fahamarinanareo ihany, no nivarotana anareo; noho ny fahotanareo ihany, no nisaorana an-dreninareo.


Ny tenona ataony tsy azo itafiana; ary ny taozavany tsy azo irakofana; fa asa mahameloka ny asany, ary asa mandoza no ao an-tanany.


«Izay rehetra misao-bady ka manambady hafa dia mijangajanga, ary izay manambady ny efa voasaotra dia mijangajanga koa.»


Izao kosa no andidiako an’izay manambady, tsy izaho anefa fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin’ny lahy ny vavy;