Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Korintiana 7:10 - Baiboly Katolika

10 Izao kosa no andidiako an’izay manambady, tsy izaho anefa fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin’ny lahy ny vavy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ny manambady dia izao no andidiako azy, nefa tsy izaho fa ny Tompo: Aoka tsy hisaraka amin’ny lahy ny vavy

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

10 Ny kristianina manambady kosa, dia izao no andidiako azy (tsy izaho fa ny Tompo): aoka ny vehivavy tsy hisaraka amin’ny vadiny;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Ny kristianina manambady kosa, dia izao no andidiako azy (tsy izaho fa ny Tompo): aoka ny vehivavy tsy hisaraka amin’ny vadiny;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary ny manam-bady dia didiako, nefa tsy izaho, fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin’ny lahy ny vavy

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary ny manam-bady dia didiako, nefa tsy izaho, fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin'ny lahy ny vavy,

Jereo ny toko dika mitovy




1Korintiana 7:10
13 Rohy Ifampitohizana  

Kanefa kosa, toy ny ivadihan’ny vehivavy amin’ny sakaizany no niodinanareo tamiko, ry taranak’i Israely, - teny marin’i Iaveh. -


Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misao-bady, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mampijangajanga azy; ary izay hanambady ny voasaotra dia mijangajanga.


Dia nanatona Azy ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe: «Mahazo misao-bady va ny lehilahy?».


«Izay rehetra misao-bady ka manambady hafa dia mijangajanga, ary izay manambady ny efa voasaotra dia mijangajanga koa.»


ary raha misy efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady izy, na hody amin’ny lahy; toy izany koa ny lahy: aoka tsy handroaka ny vavy izy.


Ary izao no ambarako amin’ireo sisa, izaho anefa fa tsy ny Tompo: Raha misy havana iray finoana manam-bady tsy mpino, ka manaiky hiara-mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy handroaka ny vadiny izy;


Raha ny tsy mpino no miala, dia aoka hiala izy, fa amin’izany tsy voafehy intsony ny havana iray finoana na ny lehilahy na ny vehivavy satria ho amin’ny fiadanana no niantsoan’Andriamanitra antsika.


Ny amin’ny virjiny, dia tsy nahazo didy avy amin’ny Tompo aho, fa manoro hevitra toy ny olona nahazo fahasoavana tamin’ny Tompo mba ho azo itokiana.


Sambatra kokoa anefa izy raha mipetraka amin’izao. Izany no hevitro: ary ataoko fa izaho koa dia manana ny Fanahin’Andriamanitra.


tsy mandidy anefa aho milaza izany, fa mamela malalaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra