Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Malakia 2:16 - DIEM PROTESTANTA

16 «Halako ny fisaoram-bady sy ny fihosenana amin’ny herisetra, hoy ny TOMPO Andriamanitr’i Israely sady Tompon’izao rehetra izao. Koa dia mitandrema tena ianareo ary aza mandao vady.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Fa halako ny fisaoram-bady, hoy NY TOMPO, Andriamanitr’Israely, halako ny fanosihosena ny fitafiany amin’ny fampahoriana, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Koa tandremo ny fanahinareo ary aza mamitaka ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 «Halako ny fisaoram-bady sy ny fihosenana amin’ny herisetra, hoy ny TOMPO Andriamanitr’i Israely sady Tompon’izao rehetra izao. Koa dia mitandrema tena ianareo ary aza mandao vady.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Fa halako ny fisaoram-bady, hoy i Iaveh, Andriamanitr’i Israely, satria ny manao izany, dia ny manototra fahasahiana ny fitafiany, hoy i Iavehn’ny tafika. Koa mitandrema ny fitondran-tenanareo fa aza misy mamitaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin’ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon’ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin'ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Fa halako ny fisaoram-bady, hoy NY TOMPO, Andriamanitr’Israely, halako ny fanosihosena ny fitafiany amin’ny fampahoriana, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Koa tandremo ny fanahinareo ary aza mamitaka ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Malakia 2:16
13 Rohy Ifampitohizana  

Ny fireharehana no iambozonany toy ny rojo; ary ny herisetra no itafiany toy ny lamba.


Izay manafina ny fahotany tsy mba hahita fahombiazana, fa izay miaiky izany ka miala aminy no hahazo indrafo.


Koa nahoana ianao, anaka, no ho raiki-pitia amin’izay vehivavy vadin’olon-kafa ka manolo-tena hanafosafo azy?


Eny, hoy ny ohabolana, fohy loatra ny farafara ka tsy misy hitsorana, ary kely loatra ny lamba ka tsy ampy hirakofana.


Izao no fanontaniana ataon’ny TOMPO: «Aiza izay taratasy fisaoram-bady manaporofo fa noroahiko i Jerosalema reninareo? Sa iza no nivarotako anareo ho andevo mba ho fanefana ny trosako aminy? Indro ny helokareo ihany no nivarotana anareo ary ny fikomianareo ihany no nandroahana an-dreninareo.


Izay rehetra manary vady ka mampakatra vehivavy hafa, dia manitsakitsaka ny vadiny taloha; ary izay mampakatra vehivavy nariam-bady, dia maka vadin’olona.


Ny kristianina manambady kosa, dia izao no andidiako azy (tsy izaho fa ny Tompo): aoka ny vehivavy tsy hisaraka amin’ny vadiny;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra