Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 4:4 - Baiboly Katolika

Hitondra ny vantotr’ombalahy ho eo anoloan’ny trano lay fihaonana izy, eo anatrehan’i Iaveh, dia hametraka ny tanany eo ambony lohan’ny ombalahy sy hamono azy eo anatrehan’i Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hitondra ny vantotra ombilahy ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana eo anatrehan’NY TOMPO izy ka hametraka ny tanany amin’ny lohan’ny vantotra ombilahy ary hamono azy eo anatrehan’NY TOMPO.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izy mpisorombe no hitondra ny ombilahy ho eo akaikin’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, ho eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO; dia hametra-tanana eo amin’ny lohan’ilay ombilahy izy ka hamono azy eo anoloan’ny Toeramasina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izy mpisorombe no hitondra ny ombilahy ho eo akaikin’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, ho eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO; dia hametra-tanana eo amin’ny lohan’ilay ombilahy izy ka hamono azy eo anoloan’ny Toeramasina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hitondra ny vantotr’ombilahy ho eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana izy ho eo anatrehan’i Jehovah; ary hametraka ny tànany amin’ny lohan’ny vantotr’ombilahy izy ka hamono azy eo anatrehan’i Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hitondra ny vantotr'ombilahy ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy ho eo anatrehan'i Jehovah; ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy izy ka hamono azy eo anatrehan'i Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hitondra ny vantotra ombilahy ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana* eo anatrehan’NY TOMPO izy ka hametraka ny tanany amin’ny lohan’ny vantotra ombilahy ary hamono azy eo anatrehan’NY TOMPO.

Jereo ny toko



Levitikosy 4:4
11 Rohy Ifampitohizana  

Izay vao naroso eo anatrehan’ny mpanjaka sy ny fiangonana ireo osilahy noho ny ota, ka nametrahan’izy rehetra tanana;


Efa mpaniasia toy ny ondry avokoa isika, samy nanaraka ny lalany avy isika; ary nazeran’i Iaveh taminy avokoa ny helotsika rehetra.


hapetrak’i Aarôna eo ambonin’ny lohan’ny osy lahy velona ny tanany roa, dia holazainy eo amboniny avokoa ny otan’ny zanak’i Israely sy ny fahadisoany rehetra araka izay fahotana nataony, hataony eo ambonin’ny lohan’ilay osy lahy izany ota izany, vao halefany ho any an’efitra izy, hoentin’ny olona efa voaomana.


Ka ny lohafiangonana hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny ombalahy, eo anatrehan’i Iaveh, ary ny ombalahy dia hovonoina eo anatrehan’i Iaveh.


Hametra-tanana eo ambonin’ny sorona noho ny ota izy sy hamono azy eo amin’ny fitoerana fanolorana ny sorona dorana.


Dia nasainy naroso ny ombalahy hatao sorona noho ny ota, ka i Aarôna sy ny zanany nametra-tanana teo ambonin’ny lohan’ny ombalahy hatao sorona noho ny ota.


Ny Levita hametra-tanana amin’ny lohan’ny ombalahy, ka ny iray hatolotrao ho sorona noho ny ota, ary ny iray ho sorona dorana ho an’i Iaveh, mba hanaovana ny fanonerana ho an’ny Levita.


Na i Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy.